Zouboon

septembre 30, 2010

Mahajanga Hihetsika ny mpanao gazety

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 1:19

Mahavita raha no sady mahay raha ny mpanao gazetin’i Mahajanga. Amin’izao asabotsy 02 oktobra ho avy izao mantsy dia hanao fampisehoana ao amin’ny tranoben’ny kolotsaina ireo mpanao gazety rehetra manerana ny renivohitry Boeny. “Mpanao gazety misoma”, izay no anarana isaloran’ity fampisehoana ity. Miisa eo amin’ny 30 mahery eo ny fitambaran’ireo mpanao gazety rehetra handray anjara amin’izany fampisehoana izany. Ny filoha mpitarika ny fikambanana AJM na ny Association de Journalistes de Mahajanga Ramatoa Vanessa Zafimahova moa no tena mpitarika mafana fo amin’ity hetsika ity. Tsy dia ny fitiavana hanao zavatra ihany anefa no anton’izao hetsika izao fa isan’ny koa ny fihavanan’izy samy mpanao gazety. “Hanehoana ny firaisan-kina misy amin’ny samy mpanao gazety no tena zava-dehibe amin’ity fampisehoana ity “hoy izy nanazava. Sahala amin’ny asa rehetra mantsy dia tsy misy toy ny fifankahazoan’ny rehetra hatrany. Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ny famerenana ny hira, ny dihy ny teatra sy ny maro hafa ihany koa. Efa mihamasaka tsikelikely hatrany izany ary tena zavatra mahafinaritra tokoa no hatao amin’io. Na dia efa be mpahalala aza ny mpanao gazety eto antoerana dia amin’io fotoana io no ahitana ny tena talentan’ny tsirairay marina. Araka ny tenin’ny filoha mpitarika hoe: “Sakamalao sy havozo io ka samy manana ny hanitra ho azy”. Tongava maro fa eo tsika ndrô mahita izy!!!

Publicités

septembre 28, 2010

Banky MCB Mahajanga Ar 200 000 000 ny vola voaroba

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 1:09

Tamin’ny 7 ora hariva hamonjy fodiana iny indrindra Andrimatoa Kiady talen’ny MCB eto Mahajanga no nosakanan’ireto jiolahy miisa dimy lahy ny zoma 24 septambra teo. Noteren’izy ireo hiditra ny fiara hiverina any ampiasany ity tale. Mitana basy poleta avy izy rehetra tamin’izany. Rehefa tonga teo anoloan’ny fiasana dia norahonan’ireto jiolahy koa ireo mpiambina telo lahy (agent de sécurité Mavis) sendra tamperinasa. Nofatoran’izy ireo tsy ho afa-mihetsika sy tsy ahita ny salova-tavan’izy rehetra. Nosokafana tamin’izay ny coffre-n’ny banky nefa tsy nety nisokatra avy hatrany izany. Mila lakile roa samihafa sy code roa samihafa mantsy vao mahasokatra ity coffre ity. Ny anakiray amin’ireo ihany anefa no ananan’ity tale ity. Nanao izay hevitra rehetra azony natao ireto jiolahy hanokafana ilay coffre nefa dia tsy nahomby daholo izay natao. Voatery nampiantso ilay olona faharoa manana fanalahahidy izy ireo noho izany dia Ramatoa Hasina izany. Tonga avy hatrany ity farany raha vao nahazo antso tamin’ny lehibeny. Kanjo vavam-basy no nitsena azy vao niditra ny toeram-piasana. Mora fotsiny moa avy eo nahazoana ny vola, fotsy tao ny vola mitentina Ar 200 000 000. Rehefa azon’izy ireo izay nilainy dia lasa nentiny niaraka taminy tanaty fiara indray izy roa. Tsy nahita ninoninona mikasika ireto jiolahy ireto mihitsy izy roa . Teo Tsaramandroso no napetrak’izy ireo ity tale sy ity Ramatoa rehefa hazon’izy ireo ny vola. Nanantona ny mpitandro ny fiolaminana nilaza ny zava-misy moa izy ireo avy eo. Ireo mpiambina voafatotra tao alatrano ihany koa dia niezaka namaha ny tenany ka nanantona ny mpitandro ny filaminana.ny zavatra tena mahatsikaiky dia manamorona ny tobin’ny zandarimariam-pirenena mihitsy no misy ity banky iray ity. Tsy nisy nahatsikaritra ninoninona anefa ny rehetra. Midika izany fa efa tena ratsy tanteraka ny fandriam-pahalemana eto antoerana. Manomboka hita eto daholo ireo karazana habibiana maro samihafa. Efa eo ampelatanan’ny mpitandro filaminana moa amin’izao fotoana ny raharaha.
Lucia Ratsimbazafy

Créez un site Web ou un blog gratuitement sur WordPress.com.