Zouboon

juillet 15, 2009

SOSIALY

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 2:41

Toa manaitra ihany satria zavatra iaraha-mahita eny anivon’ny fiaraha-monina ny fotombon’ireo mpangataka eraky ny tanàna. Tampotampoka teo mantsy dia naniry sahala amin’ny anana eraky ny renivohitr’i Mahajanga ireo mpangataka. Na ireo mipetraka amoron-dalana izany na koa ireo mandehandeha dia lasa hita eto amintsika daholo. Taloha mantsy, tsy dia mbola tsikaritra loatra sahala amin’izao ny hamaroan’izy ireo. Mahalana fahiny ny nahitana mpangataka raha eto Mahajanga renivohitra no resahina. Ankehitriny anefa, iny sisin’arabe mahitsy ny vy lava iny dia lasa misy mpangataka mitsitokotoko. Eny Mahabibo sy Majunga-be koa dia ahitana azy ireo. Amin’ny ankapobeny dia ireo lahy antitra sy vavy antitra na koa ireo sembana no tena hita eny amoron’arabe. Tsy manana mpiahy intsony angamba ka eny amoron-dalana sisa no iafarana. Ny sasany indray, izay toa somary mahasadaikatra ny saina ihany ny mieritreritra azy, ankizy madinika no mandeha mangataka etsy sy eroa. Mampanontany tena hoe ny ray aman-dreniny ve no maniraka azy ireo hanao izany. Mihevitra angamba izy ireo fa manana fiantrana bebe kokoa ny olona raha ankizy no tonga mangataka eo aminy. Ankehitriny, hatreny amin’ny bord dia lasa feno mpangataka. Raha mba mitsangatsangana eny ny hariva dia tena mahita ireo ankizy madinika mitety ireo olona mipetrapetra hangatahana. Ity koa anefa no tena loza, misy amin’ireo ankizy sasany rehefa handeha hianatra dia mangataka. Ny ankamaroan’izy ireo dia mitaraina fa tsy nihinana sakafo mihitsy alohan’ny handehanany mianatra. Indraindray toa tsy mampino satria efa lasa fahazarana mihitsy izany. Isan’andro isan’andro dia sahala amin’izay foana. Tsy fantatra intsony izay tena marina. Mafy tokoa aloha ny fiainana niainatsika nandritra ireny korontana ireny sy iainantsika ankehitriny. Hita fa mihasahirana ny vahoaka Malagasy saingy fantaro fa tsy vahaolona mihitsy ny fangatahana. Tsy hoe sanatria ny vava ladian’ny lela manome tsiny ny mahantra, saingy raha mbola misy azo atao dia mba aleo ny hatsembohan’ny tava ihany no mba hisokafan’ny vava.
Lucia Ratsimbazafy

Laisser un commentaire »

Aucun commentaire pour l’instant.

RSS feed for comments on this post.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Propulsé par WordPress.com.

%d blogueurs aiment cette page :