Zouboon

juin 17, 2009

ADIDY FA TSY ANDRAIKITRA NY FANAOVANA VAKISINY NY ZAZA

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 9:02

Miaro ny zaza amin’ny aretina mpahazo sy tena mahafaty azy indrindra ny vakisiny. Antoka lehibe ho azy ary tsy azo atao ambanin-javatra amin’ny fahasalamany izany.

Isan-taona dia 1,7 tapitrisa ny zaza matin’ny aretina izay azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny. Miaro ny zaza amin’ny areti-mandoza miteraka fahasembanana na fahafatesana mantsy ny fanaovana vakisiny ara-dalana. Antoka lehibe amin’ny fahasalamany izany. “Zon’ny zaza rehetra ary adidy fa tsy andraikitry ny ray aman-dreny fotsiny ihany ny manao vakisiny ny zanany” hoy Atoa Ramanantsoa Philippe mpitsabo iray. Tokony hatao vaksiny izany ny zaza rehetra na lahy io na vavy. Ny reny bevohoko ihany koa aza dia tokony hanao vakisiny mifanohitra amin’ny tetanosy mba hisorohana izany amin’ny zaza vao hateraka. Marihina fa na zaza marary, na tsy ampy sakafo na koa sembana dia azo atao vakisina ara-dalana tsy misy atahorana.
Raha vao teraka ka mandritra ny sivy volana voalohany dia tsy maintsy atao vakisiny ny zaza. Iarovana azy amin’ny aretina tena mpahazo ny zaza no anton’izany. Fantatra mantsy araka ny fikarohana nataon’ny UNICEF, fa ny antsasaky ny fahafatesana vokatry ny kohadavreny, ny ampahatelon’ny lefakozatra mitranga ary ny ampahaefatry ny fahafatersana avy amin’ny kitrotro dia mahakasika ny zaza latsaky ny heritaona avokoa. Noho izany zava-dehibe loatra ny fanaovana vakisiny ny zaza. Ireo tobim-pahasalamana rehetra eran’ny nosy dia efa manao fanentanana ny ray aman-dreny rehetra amin’ny fanaovana avakisiny ny zanany, tombotsoa ho an’ny fianakaviany koa izany.
“Tsy dia farofy lava aloha ny zanako satria manaraka ireo vakisiny rehetra tokony hatao izy hatramin’izao” hoy I Nirina renin’ny Tanjona zaza vao enim-bolana. Mbola misy anefa ireo ray aman-dreny sasantsasany mihalangalana na tena tsy mivakiloha amin’ny fahasalaman’ny zanany ka tsy mba mampanao vakisiny azy akory. Ilaina izany mba hananany hery fanefitry ny aretina.
Tsy sanatria tsy akory hoe mampitovy ny olona amin’ny biby , fa na ny alika aza mba atao vakisiny mainka fa ny zanaka tiana.
Lucia RATSIMBAZAFY

Publicités

juin 13, 2009

ANJERIMANONTOLO MIVADIKA NY RASA

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 8:58

Tamin’ny taona 60 ka hatramin’ny 80 tany ho any, dia tena tsy natao ambanin-javatra mihitsy ireo tanora tafakatra eny amin’ny anjerimanontolo. Ankehitriny anefa toa sanatria atao ambin-javatra izy ireny.

Taona maromaro lasa izay, nireharehana izany hoe tonga eny amin’ny sehatra ambony amin’ny fianarana izany. Tsy ny amin’ny lafiny ara-tsaina ihany anefa no anton’izany fireharehana izany, fa isan’izany koa ny lafiny ara-materialy. Na mbola eo ny rehareha amin’ izany fahatongavana eny amin’ny sehatra ambony izany ankehitriny, dia tena nivadika ny rasa raha ny resaka materialy no asiana teny,.
Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao mantsy, dia maro ireo mpianatra tonga eny amin’ny anjerimanontolo no velon-taraina noho ny tsy fahampiana: na ara-bola izany na sakafo. Indrindra fa ireo fitaovana entina manatanteraka ny fianarany. Raha mihemotra folo taona vitsivitsy monja anefa isika, izany hoe tany amin’ny taona 60 na 70 tany ho any, dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no zava-nisy.

Tantaran’i Dadabe, tsy angano fa zava-nisy
Ndrina, lehilahy iray 61 taona, izay isan’ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo teto Mahajanga tamin’izany fotoana izany, dia nanambara mazava tsara fa: “ny fanjakana no niantoka manontolo izay rehetra nilain’ny mpianatra tamin’ny zahay mbola teny amin’ny oniversite”. Araka ny fitantarany ihany dia samy nanana ny efitrano nipetrahany ny mpianatra tsirairay. Isaky ny maraina, dia misy olona manadio efitrano. Ny sakafo kosa indray, dia misy tapakila izay zaraina ho azy ireo isam-bolana. Io tapakila io dia solon’ny vola ahafahany mividy zavatra, ka izay trano fisakafoanana rehetra idirany dia manaiky ny fampiasana izany daholo. Ary isaky ny hivoaka ny mpianatra dia misy fiara lehibe natokana ho azy ireo mihitsy. “Mbola teny amin’ny Kakal izahay no nitoby tamin’izany fotoana izany, ka rehefa handeha hisakafo, etsy akaiky ny fivarotam-boky St Luc, dia aterina sy alaina amin’ny fiara hatrany nefa dia vita dia an-tongotra tsara izany”, hoy i Ndrina nanazava. Ankotra izay anefa dia manginy fotsiny ny “argent de poche” satria ny vatsim-pianarana omena azy ireo tsy lany akory mandra-piditry ny volana manaraka indray. Tsy novidiana mantsy fa nomena fotsiny ireo karazam-boky sy izay fitaovana rehetra ilaina mikasika ny fianarana. Ary ny tena mahatsikaiky dia ity: omena tapakila amina fiara manidina, mandeha sy miverina, ireo mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo rehefa tonga ny fialan-tsasatra. Hisy indray ve ny tahaka izany?. Tsara karakara tanteraka raha arak’izany ireo mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo tamin’izany taona taloha izany. Indrisy anefa toa nivadika ny toe-draharaha ankehitriny.

Miala an’Akatso dia Ambohidempona

Izany indray no voambolana ampiasain’ny olona ankehitriny raha sendra solafaka. Asa aloha na misy ifandraisany amin’ny zavatra iainan’ireo mpianatra eny Ankatso na noho ny zavatra hafa no nihavian’ny voambolana, fa dia izay indray no malaza. Mizaka ny mafy ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny anjerimanontolo amin’izao andro iainantsika izao. Tsy miantoka zavatra maro mikasika ireo mpianatra intsony mantsy ny fanjakana. Ny efitrano ipetrahana ifampizarana, “efatra izahay no iray trano” hoy i Rado mpianatra iray eny Ambondrona. Izany anefa, dia mbola andoavan’ny mpianatra tsirairay vola Ar 30 000 isan-taona amin’ny fanjakana. Etsy andaniny ihany koa, dia mbola ireo mpianatra no miantoka ny sakafo sy izay rehetra ilainy. Ny boky sy ny taratasy ilaina amin’ny fianarana dia mbola ny vola avy any am-paosy no ividianana izany. Ny vatsim-pianarana omena azy ireo anefa dia zara raha maharitra herinandro dia lany. Mandritry ny fialan-tsasatra indray dia an’ny tsirairay no “démerde” ny saran-dalana raha mba te hody any amin’ny dada sy neny. Tsy ireo mpianatra ihany amin’izao fotoana izao no mahatsiaro ho sahirana, fa ireo ray aman-dreny ihany koa dia mandrango-bolo mihitsy amin’ny fanampiana sy fampianarana ireo zanany. Mampalahelo tokoa ny fandehan-javatra. I Madagasikara ve no mitontongana mankany amin’ny fahantrana sa…, nefa dia dradradradraina hatrany hoe fandrosoana? Tokony samy ho tonga saina amin’izay ny tompon’andraikitra isan-tokony.
Lucia RATSIMBAZAFY

Propulsé par WordPress.com.