Zouboon

juillet 28, 2008

GASIKARAKO TANIN’OLONA

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 4:23

Efa 48 taona maninjitra izao no nomena ny Malagasy, ny fahalalahana ho masin-mandidy ho an’ity tanindrazana malala, dia i Madagasikara soa izany .

Ny mampalahelo anefa dia mbola misy endrika na dia tsy mivantana aza ; hita soritra anjakan’ireo teratany vahiny monina eo antoerana.

Satria vao volana iray monja izay no nankalazan’ny zanaky Gasikara ilay fahaleovantena, dia toa tsy mety ny fo tia tanindrazana raha tsy hilaza ny zava-misy ankehitriny. Toa lasa ny fanontaniana manao hoe : « isika Malagasy ve no misao-bady tanora, ka manome zara ny sasany , sa kosa ny vahiny no manao tsindry hazo lena ka manararaotra ny fanhantrantsika? Ny zavatra misy mantsy dia ireto farany no toa mambabo sy tompon’ny harena misy eto Madagasikara, ary izy ireo no toa tsongoim-bolo eto amin-tsika. Firifiry moa ireo vahiny ; na vazaha na sinoa na karana no manango-karena eto amin’ity nosintsika. Maro amin’izy ireo no tompona orinasa goavana eto antoerana, ka isika Malagasy no boto mpiasa ao aminy.Ohatra akaiky azo raisina ny orinasa afa-kaba. Ry zareo avy any ampita no tompon’ny orinasa ; izay atsangana eto amintsika, azy mbola vokatra avy eto ihany koa no ampiasaina hanodinana ny vokatra vita. Kinanjo, izy ireo no tena mahazo tombotsoa be indrindra, ny Malagasy tompon-kasasarana sy tompon-karena kosa dia ilay ambim-bava sisa tsy lany no mba natolotra azy. Hany farany, manjary atahorana sy hajaina fatratra izy ireo. Isika tompon-tany indray no toa misolelaka sy mitalaho amin’ny fananantsika.

Eo no iavin’ilay fitenenana hoe :ny « tompiny indray no mangataka ny atiny ». Ny tena mahonena dia ny tsy fahafaha-manoatra ; efa voa hatramin’ny toe-tsaina mantsy. Raiki-tapisaka ny hoe : ny fotsy hoditra ambonin’ny maity hoditra.

Ny hafatra anefa dia ity, aoka izay ny tsindrio fa lavo, matesa andronono toa kalalao ho an’ny Gasikar ; satria ny fitiavantsika azy tsy miala fa hodoria, hodoria tokoa. Raha izany mantsy i GASIKARANSIKA TSY HO TANIN’OLONA.

6 commentaires »

  1. Misaotranao Zouboon mizaran’ny fietsemponao momban’ny fitiavana’ny tanindrazan’tsika
    miafinaritra koa ny miady hevitra aminao eto amin’ny blaogy-nao eto ary tohizo fa tena tsara be

    Commentaire par jogany — juillet 28, 2008 @ 7:52

  2. betsaka ny mila arenina eo amin’ny tanindrazantsika, na ny toe-tsaina na ny fari-piainana fa zavatra roa mifampitarika izy ireo dia manjary lesoka ka hanararaotan’ny manam-bola hanjakazakany.
    Asa rahoviana anefa no ho voarina izany rehetra izany, kanefa dia mbola matoky anareo tanora na izany aza. Mahereza, milofosa daholo.

    Commentaire par ikalamako — août 1, 2008 @ 8:07

  3. misaotra anao. mahafalifaly fo ny mamaky tanora toa anao tia tanindrazana. fa isika vonona lalandava, eny na amin’ny blog tsotra fotsiny ary izany.

    Commentaire par sipakv — août 7, 2008 @ 1:20

  4. Hi Antsa.

    I have started to forget my Malagasy! Oh no!

    I miss you and I miss all of my Malagasy students. How is everyone at the school?

    Please send me the voavao.

    Lindsay

    Commentaire par Lindsay — août 15, 2008 @ 1:55

  5. mahalasa eritreritra ary mahate hikomy tokoa ny mahita fa ireo vahiny no hita anisan’ ireo mahazo tombontsoa amin’ ny fitadiavana eto Madagasikara. Misy ihany anefa ireo malagasy izay mahaita ihany koa fa saingy:
    – na tsy dia tia misehoseho,
    – na tsy misy loatra ilay fanandratana ireo tafita malagasy (amin’ ny lazain’ ilay mpihira malaza iray izay hoe « ny antsika izay misondrotra sintonina hianjera »)
    Raha ny fahitako azy dia anjarantsika malagasy no mampiseho fa mahavita koa isika, ary tokony havoitra ireo tafita mba ho raisin’ ireo malagasy hafa ho modely
    .

    Commentaire par saveoursmile — août 22, 2008 @ 6:01

  6. aiza no dia ho kivy ambony ihany e ! mihodinkodina ny tany…

    Commentaire par Rajiosy — août 23, 2008 @ 7:17


RSS feed for comments on this post.

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

Propulsé par WordPress.com.

%d blogueurs aiment cette page :