Zouboon

juillet 28, 2008

GASIKARAKO TANIN’OLONA

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 4:23

Efa 48 taona maninjitra izao no nomena ny Malagasy, ny fahalalahana ho masin-mandidy ho an’ity tanindrazana malala, dia i Madagasikara soa izany .

Ny mampalahelo anefa dia mbola misy endrika na dia tsy mivantana aza ; hita soritra anjakan’ireo teratany vahiny monina eo antoerana.

Satria vao volana iray monja izay no nankalazan’ny zanaky Gasikara ilay fahaleovantena, dia toa tsy mety ny fo tia tanindrazana raha tsy hilaza ny zava-misy ankehitriny. Toa lasa ny fanontaniana manao hoe : « isika Malagasy ve no misao-bady tanora, ka manome zara ny sasany , sa kosa ny vahiny no manao tsindry hazo lena ka manararaotra ny fanhantrantsika? Ny zavatra misy mantsy dia ireto farany no toa mambabo sy tompon’ny harena misy eto Madagasikara, ary izy ireo no toa tsongoim-bolo eto amin-tsika. Firifiry moa ireo vahiny ; na vazaha na sinoa na karana no manango-karena eto amin’ity nosintsika. Maro amin’izy ireo no tompona orinasa goavana eto antoerana, ka isika Malagasy no boto mpiasa ao aminy.Ohatra akaiky azo raisina ny orinasa afa-kaba. Ry zareo avy any ampita no tompon’ny orinasa ; izay atsangana eto amintsika, azy mbola vokatra avy eto ihany koa no ampiasaina hanodinana ny vokatra vita. Kinanjo, izy ireo no tena mahazo tombotsoa be indrindra, ny Malagasy tompon-kasasarana sy tompon-karena kosa dia ilay ambim-bava sisa tsy lany no mba natolotra azy. Hany farany, manjary atahorana sy hajaina fatratra izy ireo. Isika tompon-tany indray no toa misolelaka sy mitalaho amin’ny fananantsika.

Eo no iavin’ilay fitenenana hoe :ny « tompiny indray no mangataka ny atiny ». Ny tena mahonena dia ny tsy fahafaha-manoatra ; efa voa hatramin’ny toe-tsaina mantsy. Raiki-tapisaka ny hoe : ny fotsy hoditra ambonin’ny maity hoditra.

Ny hafatra anefa dia ity, aoka izay ny tsindrio fa lavo, matesa andronono toa kalalao ho an’ny Gasikar ; satria ny fitiavantsika azy tsy miala fa hodoria, hodoria tokoa. Raha izany mantsy i GASIKARANSIKA TSY HO TANIN’OLONA.

Créez un site Web ou un blog gratuitement sur WordPress.com.