Zouboon

avril 16, 2008

Iza no tompon’ny tsiny

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 2:21

Zazavavy vao 7 taona monja i Eliza dia efa eo ampiadiana sahady ny tsy fahampiana.
Mbola ao anatin’ny fahazazana tanteraka i Tsimialozafy Eliza amin’izao fotoana izao. Mbola 7 taona izy ary manan-joky vavy (Faniry 9 taona )sy zandry lahy ihany koa. Eto Mahajana no fonenany hatramin’izay miaraka amin-dreniny. Sahondra, ramatoa iray mananon-tena ; raha dimy taona lasa izao no nandaozan’ny vadiny azy. Bevohoka io zazalahy farany izy tamin’izay : « efa niezaka ny nanao izay tratrako aho hatramin’izao :nanasalamba, niasa an-trano,nivarobarotra ; nefa tsy mety ho ampyny ampelatanana ,efa mba lehibe ny ankizy dia nataoko manampy ahy na dia tsy satriko aza izany ».

Mpandriorio bontamo (mofo vita amin’ny vary sy vanio)eny amin’ny « Bord dela mer »no asan’ny Eliza sy Faniry ankehitriny. Manomboka mamonjy fiasana izy roa vavy amin’ny 7 ora hariva raha avy maianatra iny, ary tsy mody raha tsy lany ny etam-barotra. Manaramaso avy lavitra kosa i Sahondra mandritra ny fivarotana.
Teny ampivarotana indrindra i Eliza no nanontanianay.
Mbola betsaka agaha ny bontamon-dry ?
Eoa !!!(eny)
Eo amin’ny 10 ora alina eo no ho eo tamin’izay. Ary araky ny filazan’ny Sahondra dia Bontamo 20 eo no anianan’ny iray isan’ andro.
Efa te hatory ve indry ?
Eoa, fa za bedin’ny mamanay raha tsy mahalany ny mofo amidiko vao mody.
Fa aiza mamanareo ?
mipetraka ary amin’ny namany ery izy miandry anay.
Mba ho mari-pisaorana dia nividy bontamo tamin’ny Eliza izahay , kanjo na ny mamerim-bola sy ny mikaonty aza dia tsy hain’ity zazavavy kely ity akory.
Koa aiza ny tompon’andraikitra ; ary ia no tompon’ny tsiny ???

3 commentaires »

  1. indryyyyyy, mahonena ahy ity tantara ity, an’iza marina ny tsiny?????? an’ny ray nandao sa an’ny reny tsy nitandrina dia tonga tety an-tany ny zaza?????? mmhhhh

    Commentaire par sipagasy — avril 17, 2008 @ 4:06

  2. Majunga!!!! Ina vaovao any??? Manaôna ny Bord ao??? 😀
    En passant beaucoup de courage à Elisa et tant d’autres petites enfants qui sont dans son cas. On espère trouver des solutions à ces tristes cas …

    Commentaire par trinitty — avril 18, 2008 @ 1:22

  3. Maro loatra ny zaza iharan’ny tsy rariny toa izao eran-tany, indrindra amin’ny tany mahantra.
    Manao « cercle vicieux » anefa ilay olana satria ao daholo ny fahantran’ny tany, ny fahantran’ny mponina, ny toe-tsain’ny tsirairay, ny tsy fisian’ny ezaka ataon’ny mpitondra (na tany matanjaka na tany mahantra) hialana amin’izany. Mampalahelo.

    Commentaire par ikalamako — avril 18, 2008 @ 8:10


RSS feed for comments on this post. TrackBack URI

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

Créez un site Web ou un blog gratuitement sur WordPress.com.

%d blogueurs aiment cette page :