Zouboon

décembre 7, 2010

Sekta Amin’ny fomba vetaveta no analana devoly

Filed under: Uncategorized — zouboon @ 3:07

 

Horonantsary tao anaty kapila mangilatra iray azo tamin’ny mpiara-miasa no nahitana izao zavatra mahatsiravina izao. Vehivavy roa, efa samy mihoatra ny 40 taona eo no miara alàna devoly ao anatin’ny fiangonana anakiray. Raha araka ny fahenoana ny feo avy amin’ity sary ity dia tany Antananarivo no nisehoan’ny tantara. Voalaza tao ihany koa fa mpamosavy hono izy roa vavy ireto ka izay no antony analana devoly azy ireo. Tratra nandeha alina sy nanao ody fitia lehilahy iray antsoina hoe “Rija”. Maharitra eo amin’ny adiny iray sy sasany eo ny halavan’ny horonantsary. Mandritra io halavam-potoana io no ahitana  ny fampijaliana feno fahavetavetana atao amin’izy roa vavy ireto.

Sary tsy faseho masoandro.

Vao manomboka ilay horonantsary dia lehilahy iray no manao ankeriny vavy antitra iray hanala ny akanjony. Mandeha daholo ny daka sy ny totohondry. Sahala amin’izay ihany koa ny iray. Rehefa avy nampiboridanina izy roa vavy dia nanomboka tamin’izay ny teny mivatravatra sy ny baiko maharikoriko: “Mifanoroha dia mitodiha any amin’ny camera-nareo! manaova marche à canard de avelaro tsara ny fe!, mitaingena eo ambony ny iray! sy ny maro tsy azo eritreretina akory.

Ao anatin’ity  horonantsary nojerenay ity ihany koa no ahitana ireo vehivavy roa ireo manazava ny zava-bitany. Mitantara ny fomba ataon’izy roa isaky ny alina. Milaza izy ireo fa misy bibilava nalevin’izy ireo eo antokonam-baravaran’ilay “Rija” ary miresaka amin’ny devoly koa matetika. Rehefa vita izay dia mivavaka sy mifona amin’Andriamanitra. Avy eo anefa dia averina indray ny fampijaliana.

Atrehin’ny mpiandry

Rehefa jerena tsara ilay horonantsary dia hita eo ireo mpiandry mpanala devoly. Lehilahy iray kosa no mpanomle baiko. Ankoatra izay anefa dia misy olon-tsotra  hafa miisa eo amin’ny folo mahery eo mijery ny trangan-javatra. Ao ny makasary amin’ny finday, ao kosa ny mihomehy mahita azy roavavy ireto manao ny tsy fanao. Tsy misy na iray amin’ireo aza manohitra na manakana ny fampijaliana atao azy mirahavavy ireto.

Efa miparitaka tsikelikely eto andrenivohitr’i Mahajanga ity horonantsary ity amin’izao fotoana izao. Mihabetsaka hatrany ireo olona nahita ka rikoriko daholo ny ankamaroany amin’izany. Tsiahivina mantsy fa tao anaty fiangonana avokoa no nisehoan’ireo zavatra mamoa fady ireo

Lucia Ratsimbazafy

 

37 commentaires »

  1. Azo lazaina ve hoe iza ilay fiangonana?

    Commentaire par Jentilisa — décembre 7, 2010 @ 7:00

  2. fanahiniako tsy notonina mihitsy ny anaran’ilay fiangonana satria somary saro-pady ihany izany. Izay tena fahamarianany ihany koa moa tsy fanatra dia aleoko tsy milaza.
    ny hany azoko ambara angamba dia fiangonana efa nampisy olana be tao Antananarivo io fiangonana io tamin’ny taona 2008.

    Commentaire par zouboon — décembre 8, 2010 @ 12:42

    • LELENINA A A !

      Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:14

  3. Ianao no nitatitra azy ity voalohany fa toa tsy niraika ny olona. mankasitraka fa efa mahay mitantara ianao na izany aza! Mazotoa hatrany manoratra sy mamoaka izay tsy fantatry ny olona loatra!!!

    Angamba hihabetsaka ny mpamaky anao ato ho ato

    Commentaire par Jentilisa — décembre 26, 2010 @ 8:54

    • Z az ts mafantatr ko F mb met v xano

      Commentaire par claudio — février 19, 2014 @ 6:55

  4. Izahay mbola tsy nahita, mety ho hita amin’ny internet ve? mba atory azafady ny rohy mirakitra azy…

    Commentaire par Rabily — décembre 27, 2010 @ 10:22

    • salama!!
      jereo any amin’ny » You Tube » fa efa misy any
      midira ihany koa ao amin’ny « gasy tia tanindrazana na ny gtt. com »
      mazotoa ary e!

      Commentaire par zouboon — décembre 28, 2010 @ 12:52

  5. tafiditra ao anaty toe draharaha politika daholo izao fanalana baraka izao. Mpiandry isany nandray anjara t@ fakana ministera sy ambohitsirohitra. FPVM nosokafana t@ tetezamita.

    Commentaire par raharisoa — décembre 28, 2010 @ 9:02

    • f’angaha tsy mahita zavtra atao raha tsy ny
      mitsikera sy mitsaratsara olona foana ary
      ny manara-baovao politika foana é!

      Commentaire par erick — novembre 19, 2011 @ 6:39

  6. Mbola betsaka ny hiseho atsy ho atsy é.
    Ka ny mpitandrina mpitarika ny FPVM mihitsy koa anie manao an’io fomba maloto io é
    Efa imbetsaka izy sy ilay atao hoe Baholy izay mpiandry sady mpampianatra na mpanofana ny mpiandry no nisy matratra manao vetaveta ao @ biraon’ny mpitandrina eny fa na dia t@ mbola tany andravoahangy fivavahana aza.

    Commentaire par kristiana — janvier 3, 2011 @ 3:16

    • Ary ny fiangonanareo koa ?

      Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:18

  7. Olona maro no mitaraina @ afitsok’io mpitandrina io fa tsy sahy miteny ampahibemaso fa menatra

    Commentaire par Coolboy — juillet 5, 2011 @ 1:06

  8. HAFATRA KELY:
    tsy anjarantsika olombelona ny mitsara fa azy izay
    any ambony.@ fotoana itsaranao azy io dia any aminao
    no mifindra ilay fahotana.
    BOUDDHISTE

    Commentaire par erick — novembre 14, 2011 @ 7:57

  9. Ary manaraka izany tadidio fa manala baraka olona
    ianao io ry mpanoratra mahay .
    ERICK

    Commentaire par erick — novembre 14, 2011 @ 8:00

  10. bonjour!
    Miala tsiny indrindra ho an’izay voatohina fa tsy nanondro an’iza na koa nitsara an’iza ny tenako t@ nanoratra ity article ity. Efa notandremako mafy izany. Amin’ny maha mpanao gazety ahy fotsiny dia mampahafantatra ny mpiara-belona ny zava-misy no ataoko. Na izany aza dia mino aho fa amin’ny alala’ny Fahatsarany ihany no analan’Andriamanitra ny fahotan’olom-belona fa tsy Fahavetavetana tsy akory.

    Commentaire par zouboon — novembre 14, 2011 @ 9:34

    • ka izaho izao mihitsy anie no mpanao an’io famaizana io ao am-piangonana e!Kanefa efa niova finoana izaho
      ankehitriny;noho izany miangavy anareo aho mba hamela
      ny heloko
      ERICK

      Commentaire par erick — novembre 18, 2011 @ 6:55

  11. MAHASOSOPORY ZANY PAPAH A A !

    Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:16

    • Tsara n famaizana fa tokony atao @ fomba manaja ny zon’olombelona

      Commentaire par rovaniaina — septembre 8, 2015 @ 6:58

  12. kindy na alika be izany an!!!

    Commentaire par tojo — novembre 21, 2012 @ 1:14

  13. sam vet2 narw satr tendrts v no amalinarw anzn? mb aturw evtr iz e… in nu tkn az elan amzan??

    Commentaire par Tsilavina — mars 13, 2013 @ 1:57

  14. ra ny hevtro manokana,aleo iz mb aneo ny hevn izy f az kiana

    Commentaire par miary — Mai 24, 2013 @ 6:09

  15. Ry vahoaka Malagasy, iza moa isika?taranaky ny jiosy hebreo nahery indrindra;afaka nitsoaka tany babilona.avo razana isika.iza no hendry isika miseho ho kristianina amin’izao fotoana izao sa ny ntaolo razantsika izay nilaza fony mbola tsy niditra ny finoana kristianina hoe:aza ny lohasaha mangina no jerena fa ZANAHARY ao an-tampon’ny loha »
    aoka izay ny fanimbazimbana ny anaran’i KRISTY .itoera ianao ao amin’ny sinagoganao(fiangonanao) dia ny tenanao izany .ahidio ny efitranonao ary miresah mangina amin’ilay Andriamanitra ao anatinao.Hoy i JESUS,IESHUA,ISSA,JESOA,JESOSY hoe : »LE ROYAUME DES CIEUX EST EN VOUS », aza mijery sy manao comentaire amin’ny ataon’ny hafa ary aza manaparitaka izay ratsy ataon’ny hafa fa tohero amin’ny alalan’ny asa fanasoavana, asa fitiava-namana, ny asa fampijalian-tena, ny vatana ary aza mamoaka onja-kery maloto amin’ny tontolo hitanao maso rahatsy onjakery madio sy feno fitiavana ary feno fahazavana no mivoaka ny vavanao.aza atao dokam-barotra intsony ny fivavahana, ary aza misehoseho ho mahavita fahagagana intsony isika pasitera,pretra, mpiandry, lehiben’antolom-pinoana zandriny.Tonga ny fotoana izao efa maro ireo mpaminanay no tonga hamonjy ny very kanefa i satana koa tonga mba hanimba fa tsy hamelona.fantaro amin’ny voany ny hazo..inona no tsy mampitovy an’i KRISTY amin’ireo mpitondra fivavahana?i KRISTY tsy mba nanana kalesa toy ny amperora romana, apondra nindramina no nitaingenanay, tsyb manana 4X4 toy ny an’i MAILHOL, tsy mba nanana fiangonana fa ny lohasa sy ny ranomasina ary ny tampion-tanenty sy ny arabe no fiainanay, mbola niara-nisakafo tamin’ny mpanora-dalàna(député,sénateur,magistrat…) aza izy ary mbola niresaka tamin’ny vehivavy mpivaro-tena. diso tanteraka isika main’izao fotoana izao satria ialy vola an’ kaesara(césar) fahiny no ato rakitra sy ilazana fa ampitomboana ny asan’Andriamanitra.Ampy izay ny fitaka ny vahoaka fa tsy azo atao politika toy ny tamin’ny andron-Dravalomanana intsony ny fiagonana, isika tsirairay no mila mivoatra fa tsy hiakin-doha amin’ny ireo milaza ho mpitondra fivavahana intsony isika, ampitomboy ny herim-panahy efa ao anatin-tsika ary mamakia baiboly dia aza miezaka mandresy lahatra olona amin’nio satria izay mihevi-tena ho mpandresy dia dia mbola ho resin’ny marina rahampitso rafaka ampitso satria ny maarina dia any amin’ny tontolon’ny fanahy no misy azy fa tsy eto amin’ny tontolon’ny velona.Misaotra tompoko.

    Commentaire par fridiac parter — juillet 9, 2014 @ 1:47

  16. Zavatra lehibe dia tsy tokony hitsara isika .Ary ny mivavaka dia tsymila dera . Hafatra ho antsika Milaza ho kristiana dia rehefa mivavaka dia tsy tokony maika ny hangataka @Atra aloha fa tokony hanao fandinihantena aloha izany hoe tsarao aloha ny tenanao dia miezaha miala @fahazaran-dratsy . Avy eo manampy anao andriamanitra satria tsarovy mandrakariva fa tempolin’ ny Fanahy masina ny tenantsika ka arakaraka ny fahadiovan’io Tempolin’Atra io no hitoeran’ ny herin’Atra ao aminao .Mino aho fa tsy handa ny fangatahana hataonao intsony Atra .ANDRAMO KELY DIA HO HITANAO NY FAHASOAVANANDRIAMANITRA TONGA AMINAO MISAOTRA NY MPAMAKY HAJAINA TAHIN’ATRA DAHOLO E!

    Commentaire par Joseph Hardy RAFALIARISON — octobre 8, 2014 @ 4:06

  17. mivavaha fa samy mpanota

    Commentaire par n — novembre 20, 2014 @ 12:56

  18. mapalael kus zan toetsain zan e

    Commentaire par mioutys — décembre 9, 2014 @ 10:55

  19. Fa manina mo no lazainao eo NY anaran’ol ! ! ! ?, fa nahoana ko ar no be mpivavaka ao amnio fiangonana io!?

    Commentaire par ANDR — décembre 17, 2014 @ 12:26

  20. fangalana fafiny dol zan e

    Commentaire par Fab — décembre 28, 2014 @ 8:23

  21. D tsy mpitandrina ty fa mpamely an?

    Commentaire par Noor Pap's — janvier 2, 2015 @ 7:35

  22. fa maninona ts asiana video izany sary izany e! resaka fotsin manko le izy sady efa ts fantatra rahateo ilay anarana ilay Fiangonana zay no mba angatahinay Merci na izany aza!!!

    Commentaire par Mariah — janvier 27, 2015 @ 8:55

  23. rehefa te-hijery vetaveta dia mijereva porno fa aza maka fanahy olona hamoaka video zay fanalana na fampidirina devoly izany.

    Commentaire par johnnarivony — mars 13, 2015 @ 7:07

  24. resaka politika fotsiny reny handotoana an’ilay fiangonana satria oe nanohana an’i andry rajoelina

    Commentaire par franck — avril 8, 2015 @ 9:18

  25. 1-Marina aloha ny fijerinao satria olona ety ivelany ianao tsy mahafanatatra ny ao antin’ny hoe fanalana Devoly ary influecenao @ fijerinao ny olona.
    2-Efa nahita aho karazany maro tsy fahaseho masoandro mihintsy fa mahomby ilay fitsaboana–ary tena efficace
    3-Aza mitsara ivelany raha tsy fantatrao ny dicipline anatanterahany izany satria ny mpitsabo ihany no mahalala ny fomba hitsaboany–ary ireo manaiky dia mahafantatra ny dicipline avokoa — fa ny endrika isehoany no tsy mety aminao mpanoratra.
    4-Betsaka ny Methode atao ao ohatra:Tambatambazina–treromina-fitahina amina resaka sy fanotaniana–kapohina –aboridana–potsehina ny tsy fandray nono ,haronina ny sexe sns…..fa izay mahomby sy efficace no anatanterahana azy arakaraky ny experience n’ilay mpitsabo….
    5-farany: aza manody ny Anjakan »ny devoly fa rehefa tsy niarany ianao dia manana fijery toy izany ,fa izay voatsabo ka sitrana dia manaiky satria nety taminy—izany anie no ilana ny secret Proffessionnel ê!

    Commentaire par Dalala — juillet 28, 2015 @ 3:53

    • Bj,manjaka ny asan Devoly @zao

      Commentaire par benoit — août 19, 2015 @ 9:18

  26. efa nahita io horonantsary io aho teto antananarivo fa lonilonim-piarahamonina no antony, mampalahelo fa dia miha mahazo vahana hatrany io fiangonana io,

    Commentaire par tsikaritra — Mai 4, 2016 @ 7:45

  27. Miarahaba tompoko ,
    Tadidiontsika tsirairay avy fa isika dia olombelona avokoa . Dikan’izay dia samy mpanota avokoa , tadidio fa Jesosy Kristy avy any Nazareta irery ihany no tsy nanota ary tsy nahalalala ota akory, kanefa nahafoy ny tenany ho vonoina mba hisolo antsika : FITIAVANA LEHIBE izany .
    Ny fanirian’ ilay Andriamanitra Raintsika dia ny hialantsika amin’izany fahotana izany satria an , io OTA io no efitra mampisaraka antsika aminy . Koa manasa antsika am-pitiavana tompoko , mba samy hibebaka avokoa, mba samy hiezaka hiala amin’izany ratsy rehetra izany , satria izay no sitrapon’ Andriamanitra .
    Mafimafy sy sarotra izany , kanefa mangataha amin’ i Jesosy , mivavaha aminy , fa ampiany ianao , fa ho hitanao fa ho maivamaivana ianao , ho sambatra ianao , raha vitanao izany .
     » ANDRAMO KA ZAHAO FA TSARA JEHOVAH  » .
    Tsy maintsy ho avy ny fotoana izay hitsarana antsika tsirairay avy , eny fa na izaho izay manoratra io aza , kanefa ny faniriako ry havana , raha  » izaho sy ny ankohonako , dia hanompo an’i Jehovah izahay  » .
    Dia mirary soa ho antsika tsirairay avy .
    Ho aminao anie ry Havana ny fiadanan’ny Jesosy Kristy Tompontsika .

    Commentaire par Zoely — Mai 20, 2016 @ 7:55

  28. ANTSOY JESOA!

    Commentaire par Miora — juin 15, 2017 @ 10:39

  29. Mila mibebaka ianao, fa tsy misy marina na dia iray aza eo anatrehan’Andriamanitra mpahary ny lanitra sy ny tany, aoka hoy Izy hitora-bato izay tsy nanota taminareo. Asanao kooo

    Commentaire par rahantanjatovo — août 21, 2018 @ 8:42


RSS feed for comments on this post.

Répondre à erick Annuler la réponse.

Propulsé par WordPress.com.