Horonantsary tao anaty kapila mangilatra iray azo tamin’ny mpiara-miasa no nahitana izao zavatra mahatsiravina izao. Vehivavy roa, efa samy mihoatra ny 40 taona eo no miara alàna devoly ao anatin’ny fiangonana anakiray. Raha araka ny fahenoana ny feo avy amin’ity sary ity dia tany Antananarivo no nisehoan’ny tantara. Voalaza tao ihany koa fa mpamosavy hono izy roa vavy ireto ka izay no antony analana devoly azy ireo. Tratra nandeha alina sy nanao ody fitia lehilahy iray antsoina hoe “Rija”. Maharitra eo amin’ny adiny iray sy sasany eo ny halavan’ny horonantsary. Mandritra io halavam-potoana io no ahitana ny fampijaliana feno fahavetavetana atao amin’izy roa vavy ireto.
Sary tsy faseho masoandro.
Vao manomboka ilay horonantsary dia lehilahy iray no manao ankeriny vavy antitra iray hanala ny akanjony. Mandeha daholo ny daka sy ny totohondry. Sahala amin’izay ihany koa ny iray. Rehefa avy nampiboridanina izy roa vavy dia nanomboka tamin’izay ny teny mivatravatra sy ny baiko maharikoriko: “Mifanoroha dia mitodiha any amin’ny camera-nareo! manaova marche à canard de avelaro tsara ny fe!, mitaingena eo ambony ny iray! sy ny maro tsy azo eritreretina akory.
Ao anatin’ity horonantsary nojerenay ity ihany koa no ahitana ireo vehivavy roa ireo manazava ny zava-bitany. Mitantara ny fomba ataon’izy roa isaky ny alina. Milaza izy ireo fa misy bibilava nalevin’izy ireo eo antokonam-baravaran’ilay “Rija” ary miresaka amin’ny devoly koa matetika. Rehefa vita izay dia mivavaka sy mifona amin’Andriamanitra. Avy eo anefa dia averina indray ny fampijaliana.
Atrehin’ny mpiandry
Rehefa jerena tsara ilay horonantsary dia hita eo ireo mpiandry mpanala devoly. Lehilahy iray kosa no mpanomle baiko. Ankoatra izay anefa dia misy olon-tsotra hafa miisa eo amin’ny folo mahery eo mijery ny trangan-javatra. Ao ny makasary amin’ny finday, ao kosa ny mihomehy mahita azy roavavy ireto manao ny tsy fanao. Tsy misy na iray amin’ireo aza manohitra na manakana ny fampijaliana atao azy mirahavavy ireto.
Efa miparitaka tsikelikely eto andrenivohitr’i Mahajanga ity horonantsary ity amin’izao fotoana izao. Mihabetsaka hatrany ireo olona nahita ka rikoriko daholo ny ankamaroany amin’izany. Tsiahivina mantsy fa tao anaty fiangonana avokoa no nisehoan’ireo zavatra mamoa fady ireo
Lucia Ratsimbazafy
Azo lazaina ve hoe iza ilay fiangonana?
Commentaire par Jentilisa — décembre 7, 2010 @ 7:00
fanahiniako tsy notonina mihitsy ny anaran’ilay fiangonana satria somary saro-pady ihany izany. Izay tena fahamarianany ihany koa moa tsy fanatra dia aleoko tsy milaza.
ny hany azoko ambara angamba dia fiangonana efa nampisy olana be tao Antananarivo io fiangonana io tamin’ny taona 2008.
Commentaire par zouboon — décembre 8, 2010 @ 12:42
LELENINA A A !
Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:14
Ianao no nitatitra azy ity voalohany fa toa tsy niraika ny olona. mankasitraka fa efa mahay mitantara ianao na izany aza! Mazotoa hatrany manoratra sy mamoaka izay tsy fantatry ny olona loatra!!!
Angamba hihabetsaka ny mpamaky anao ato ho ato
Commentaire par Jentilisa — décembre 26, 2010 @ 8:54
Izahay mbola tsy nahita, mety ho hita amin’ny internet ve? mba atory azafady ny rohy mirakitra azy…
Commentaire par Rabily — décembre 27, 2010 @ 10:22
salama!!
jereo any amin’ny" You Tube" fa efa misy any
midira ihany koa ao amin’ny "gasy tia tanindrazana na ny gtt. com"
mazotoa ary e!
Commentaire par zouboon — décembre 28, 2010 @ 12:52
tafiditra ao anaty toe draharaha politika daholo izao fanalana baraka izao. Mpiandry isany nandray anjara t@ fakana ministera sy ambohitsirohitra. FPVM nosokafana t@ tetezamita.
Commentaire par raharisoa — décembre 28, 2010 @ 9:02
f’angaha tsy mahita zavtra atao raha tsy ny
mitsikera sy mitsaratsara olona foana ary
ny manara-baovao politika foana é!
Commentaire par erick — novembre 19, 2011 @ 6:39
Mbola betsaka ny hiseho atsy ho atsy é.
Ka ny mpitandrina mpitarika ny FPVM mihitsy koa anie manao an’io fomba maloto io é
Efa imbetsaka izy sy ilay atao hoe Baholy izay mpiandry sady mpampianatra na mpanofana ny mpiandry no nisy matratra manao vetaveta ao @ biraon’ny mpitandrina eny fa na dia t@ mbola tany andravoahangy fivavahana aza.
Commentaire par kristiana — janvier 3, 2011 @ 3:16
Ary ny fiangonanareo koa ?
Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:18
Olona maro no mitaraina @ afitsok’io mpitandrina io fa tsy sahy miteny ampahibemaso fa menatra
Commentaire par Coolboy — juillet 5, 2011 @ 1:06
HAFATRA KELY:
tsy anjarantsika olombelona ny mitsara fa azy izay
any ambony.@ fotoana itsaranao azy io dia any aminao
no mifindra ilay fahotana.
BOUDDHISTE
Commentaire par erick — novembre 14, 2011 @ 7:57
Ary manaraka izany tadidio fa manala baraka olona
ianao io ry mpanoratra mahay .
ERICK
Commentaire par erick — novembre 14, 2011 @ 8:00
bonjour!
Miala tsiny indrindra ho an’izay voatohina fa tsy nanondro an’iza na koa nitsara an’iza ny tenako t@ nanoratra ity article ity. Efa notandremako mafy izany. Amin’ny maha mpanao gazety ahy fotsiny dia mampahafantatra ny mpiara-belona ny zava-misy no ataoko. Na izany aza dia mino aho fa amin’ny alala’ny Fahatsarany ihany no analan’Andriamanitra ny fahotan’olom-belona fa tsy Fahavetavetana tsy akory.
Commentaire par zouboon — novembre 14, 2011 @ 9:34
ka izaho izao mihitsy anie no mpanao an’io famaizana io ao am-piangonana e!Kanefa efa niova finoana izaho
ankehitriny;noho izany miangavy anareo aho mba hamela
ny heloko
ERICK
Commentaire par erick — novembre 18, 2011 @ 6:55
MAHASOSOPORY ZANY PAPAH A A !
Commentaire par erick — novembre 25, 2011 @ 6:16
kindy na alika be izany an!!!
Commentaire par tojo — novembre 21, 2012 @ 1:14
sam vet2 narw satr tendrts v no amalinarw anzn? mb aturw evtr iz e… in nu tkn az elan amzan??
Commentaire par Tsilavina — mars 13, 2013 @ 1:57