Ny taona 1940 no nahitana voalohany fa misy solika azo trandrahana ao Bemolanga. Tamin’ny ady lehibe faharoa kosa dia efa nampiasain’ny mpanjanaka frantsay tamin’izany fotoana izany hanamboaran-dàlana ity harena ankibon’ny tany ity. Taty amin’ny fiandohan’ny taona 80 kosa vao tena nisy fandalinana natao mikasika io fitrandrahana solika io. Hatramin’izao anefa dia tsy mbola misy na solika 1litatra akory aza azo avy tao. Betsaka noho izany ireo fanontaniana manitikitika ny be sy ny maro mikasika ity rahararaha ity. Araky ny fanazavan-dRamatoa Lalanirina Rasoanandrianina izay mpiandraikitra ambony amin’ny resaka fitrandrahana solika miara-miasa amin’ny WWF amin’ilay tetikasa “Asa solika ho an’ny fampandrosoana” dia nilaza izy fa betsaka ireo sakana sy dingana tsy maintsy diavina alohan’ny hitodiana amin’izany fitrandrahana izany. “Tsy zavatra vita mora fa mila fotoana sy fikarohana betsaka tokoa ny fitrandrahana solika” hoy ity tompon’andraikitra voalaza tetsy ambony. Fantaro fa “Grés Bitumineux” no misy ao Bemolanga, izany hoe vaingana fa tsy tsiranoka solika akory. “Amin’ny taona 2019 vao herina fa hisy solika azo amidy vokarina voalohany ao Bemolanga raha mandeha araka ny tokony ho izy ny zavatra rehetra” hoy ihany Ramatoa Lalanirina namatopatoka. Na izany na tsy izany anefa dia nandeha ihany ny fikarohana rehetra nanomboka ny taona 1976, izay niheveran’ny rehetra tamin’io fa tena hahomby tokoa ny fitrandrahana. Mbola nanana ny “raffinerie” tany Toamasina ihany koa isika Malagasy tamin’izay mba ahafahana manodina ny vokatra. Ny amiraly Ratsiraka Didier mihitsy tamin’izay no filoham-pirenena ary mpitarika ny asa rehetra. Tamin’ny taona 1982 zay vao nivoaka ny antota-taratasy nahafahana namariparitra ny vola hivoaka sy hiditra sy ireo zavatra azo tanterahina na tsia amin’io fitrandrahana io na ny “Document de faisabilité éco-financière de gisement” izany. Vokatra voaray tamin’izany ny hoe tsy hisy tombony hiditra ho an’ny firenena Malagasy mihitsy ny fitrandrahana raha tsy $52 no amarotana ny barikan-tsolika iray. Tamin’io vanim-potoana io anefa dia manodidina ny $10 ny vidin’ny barika iray. Voatery noho izany najanona ny tetikasa. Naterina teny Ambohitsirohitra ny taratasy rehetra dia navalona aloha ny momba an’iny. Taty aoriana kely ihany dia nitohy indray ny fikarohana satria barikan-tsolika antapitrisany maro no azo trandrahina ao Bemolanga, vola-be ho an’ny firenena izany. I Bemolanga ihany koa no fahaefatra lehibe indrindra maneran-tany raha ny “gisement de grés bitumineux” no resahina. Any Canada no misy ny lehibe indrindra raha manarak’azy eo ny any Venezuela ary ny any Indonésie no fahatelo izay vao ny ety Madagasikara.
Lucia Ratsimbazafy