M. SAGUIR REMTOULA
PREZIDA NY VONDRONA BOHRA
Inona ny vaova – Hisokatra eto mahajanga ny gazety « inona ny vaovoa mahajanga »ny fahitanao izany ?
Vaoavao tsara ary tena mahafaly ahy ny mahafantatra izany saingy asa na aharitra fa tsy ho tahaka ireo teo aloha tsy naharitra akory dia nikatona indray tsy fantattra akory izay tena antony sahala amin’ny hoe andrakandrana
Inona ny vaoavao- Amin’ny maha prezida ny vondrona Bohra eto mahajanga anao, inona no tena andrasanao sy takianao amin’ny « inona vaovao mahajanga » ?
Ny mampalahelo amin’izao fotoana izao, dia lasa fitadiavam-bola fotsiny ny asa fanaovan-gazety fa tsy ny zava-misy no ezahina avoaka sy ampahalalana ny vahoaka. Tsara raha ny marina hatrany no ampahafantarina ny mpamaky.
Lesoka ho an’ireo gazety teo aloha mantsy ny famoahany ireo vaovao tsy marim-pototra dia rehefa tonga indray ny ampitso dia ambara fa diso ilay vaovao navoaka. Hita koa fa maro loatra ireo dokambarotra sy fialam-boly , aleo gazety manify nefa mba mavesatra toy izay matevina be fahatany.
Raha ho an’ny vondrona Bohra manokana ihany koa dia tsara raha mba aparitaka amin’ny haino aman-jery ireo asa soa ataonay, tena irinay mantsy ny ahafantaran’ireo ponina ny mahakasika anay sy ireo tetik’asa misy ao amin’ny vondrona misy anay
Inony vaovao -Ahoana kosa ary ny tokinainao andriamatoa prezida?
Matoky aloha aho satria gazety hivoaka isan’andro izy ity. Raha teo ihany koa mba efa manana fahalalana maro mahakasika izany ianareo mpiandraikitra ao. Ny irina dia mba ho lava andro ianinana anie “inona vaoavao mahajanga”.
AntsaL.Ratsimbazafy.