Zouboon

juin 17, 2009

ADIDY FA TSY ANDRAIKITRA NY FANAOVANA VAKISINY NY ZAZA

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 9:02

Miaro ny zaza amin’ny aretina mpahazo sy tena mahafaty azy indrindra ny vakisiny. Antoka lehibe ho azy ary tsy azo atao ambanin-javatra amin’ny fahasalamany izany.

Isan-taona dia 1,7 tapitrisa ny zaza matin’ny aretina izay azo sorohina amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny. Miaro ny zaza amin’ny areti-mandoza miteraka fahasembanana na fahafatesana mantsy ny fanaovana vakisiny ara-dalana. Antoka lehibe amin’ny fahasalamany izany. “Zon’ny zaza rehetra ary adidy fa tsy andraikitry ny ray aman-dreny fotsiny ihany ny manao vakisiny ny zanany” hoy Atoa Ramanantsoa Philippe mpitsabo iray. Tokony hatao vaksiny izany ny zaza rehetra na lahy io na vavy. Ny reny bevohoko ihany koa aza dia tokony hanao vakisiny mifanohitra amin’ny tetanosy mba hisorohana izany amin’ny zaza vao hateraka. Marihina fa na zaza marary, na tsy ampy sakafo na koa sembana dia azo atao vakisina ara-dalana tsy misy atahorana.
Raha vao teraka ka mandritra ny sivy volana voalohany dia tsy maintsy atao vakisiny ny zaza. Iarovana azy amin’ny aretina tena mpahazo ny zaza no anton’izany. Fantatra mantsy araka ny fikarohana nataon’ny UNICEF, fa ny antsasaky ny fahafatesana vokatry ny kohadavreny, ny ampahatelon’ny lefakozatra mitranga ary ny ampahaefatry ny fahafatersana avy amin’ny kitrotro dia mahakasika ny zaza latsaky ny heritaona avokoa. Noho izany zava-dehibe loatra ny fanaovana vakisiny ny zaza. Ireo tobim-pahasalamana rehetra eran’ny nosy dia efa manao fanentanana ny ray aman-dreny rehetra amin’ny fanaovana avakisiny ny zanany, tombotsoa ho an’ny fianakaviany koa izany.
“Tsy dia farofy lava aloha ny zanako satria manaraka ireo vakisiny rehetra tokony hatao izy hatramin’izao” hoy I Nirina renin’ny Tanjona zaza vao enim-bolana. Mbola misy anefa ireo ray aman-dreny sasantsasany mihalangalana na tena tsy mivakiloha amin’ny fahasalaman’ny zanany ka tsy mba mampanao vakisiny azy akory. Ilaina izany mba hananany hery fanefitry ny aretina.
Tsy sanatria tsy akory hoe mampitovy ny olona amin’ny biby , fa na ny alika aza mba atao vakisiny mainka fa ny zanaka tiana.
Lucia RATSIMBAZAFY

juin 13, 2009

ANJERIMANONTOLO MIVADIKA NY RASA

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 8:58

Tamin’ny taona 60 ka hatramin’ny 80 tany ho any, dia tena tsy natao ambanin-javatra mihitsy ireo tanora tafakatra eny amin’ny anjerimanontolo. Ankehitriny anefa toa sanatria atao ambin-javatra izy ireny.

Taona maromaro lasa izay, nireharehana izany hoe tonga eny amin’ny sehatra ambony amin’ny fianarana izany. Tsy ny amin’ny lafiny ara-tsaina ihany anefa no anton’izany fireharehana izany, fa isan’izany koa ny lafiny ara-materialy. Na mbola eo ny rehareha amin’ izany fahatongavana eny amin’ny sehatra ambony izany ankehitriny, dia tena nivadika ny rasa raha ny resaka materialy no asiana teny,.
Amin’izao vanim-potoana iainantsika izao mantsy, dia maro ireo mpianatra tonga eny amin’ny anjerimanontolo no velon-taraina noho ny tsy fahampiana: na ara-bola izany na sakafo. Indrindra fa ireo fitaovana entina manatanteraka ny fianarany. Raha mihemotra folo taona vitsivitsy monja anefa isika, izany hoe tany amin’ny taona 60 na 70 tany ho any, dia ny mifanohitra tanteraka amin’izany no zava-nisy.

Tantaran’i Dadabe, tsy angano fa zava-nisy
Ndrina, lehilahy iray 61 taona, izay isan’ny mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo teto Mahajanga tamin’izany fotoana izany, dia nanambara mazava tsara fa: “ny fanjakana no niantoka manontolo izay rehetra nilain’ny mpianatra tamin’ny zahay mbola teny amin’ny oniversite”. Araka ny fitantarany ihany dia samy nanana ny efitrano nipetrahany ny mpianatra tsirairay. Isaky ny maraina, dia misy olona manadio efitrano. Ny sakafo kosa indray, dia misy tapakila izay zaraina ho azy ireo isam-bolana. Io tapakila io dia solon’ny vola ahafahany mividy zavatra, ka izay trano fisakafoanana rehetra idirany dia manaiky ny fampiasana izany daholo. Ary isaky ny hivoaka ny mpianatra dia misy fiara lehibe natokana ho azy ireo mihitsy. “Mbola teny amin’ny Kakal izahay no nitoby tamin’izany fotoana izany, ka rehefa handeha hisakafo, etsy akaiky ny fivarotam-boky St Luc, dia aterina sy alaina amin’ny fiara hatrany nefa dia vita dia an-tongotra tsara izany”, hoy i Ndrina nanazava. Ankotra izay anefa dia manginy fotsiny ny “argent de poche” satria ny vatsim-pianarana omena azy ireo tsy lany akory mandra-piditry ny volana manaraka indray. Tsy novidiana mantsy fa nomena fotsiny ireo karazam-boky sy izay fitaovana rehetra ilaina mikasika ny fianarana. Ary ny tena mahatsikaiky dia ity: omena tapakila amina fiara manidina, mandeha sy miverina, ireo mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo rehefa tonga ny fialan-tsasatra. Hisy indray ve ny tahaka izany?. Tsara karakara tanteraka raha arak’izany ireo mpianatra teny amin’ny anjerimanontolo tamin’izany taona taloha izany. Indrisy anefa toa nivadika ny toe-draharaha ankehitriny.

Miala an’Akatso dia Ambohidempona

Izany indray no voambolana ampiasain’ny olona ankehitriny raha sendra solafaka. Asa aloha na misy ifandraisany amin’ny zavatra iainan’ireo mpianatra eny Ankatso na noho ny zavatra hafa no nihavian’ny voambolana, fa dia izay indray no malaza. Mizaka ny mafy ireo mpianatra mandranto fianarana eny amin’ny anjerimanontolo amin’izao andro iainantsika izao. Tsy miantoka zavatra maro mikasika ireo mpianatra intsony mantsy ny fanjakana. Ny efitrano ipetrahana ifampizarana, “efatra izahay no iray trano” hoy i Rado mpianatra iray eny Ambondrona. Izany anefa, dia mbola andoavan’ny mpianatra tsirairay vola Ar 30 000 isan-taona amin’ny fanjakana. Etsy andaniny ihany koa, dia mbola ireo mpianatra no miantoka ny sakafo sy izay rehetra ilainy. Ny boky sy ny taratasy ilaina amin’ny fianarana dia mbola ny vola avy any am-paosy no ividianana izany. Ny vatsim-pianarana omena azy ireo anefa dia zara raha maharitra herinandro dia lany. Mandritry ny fialan-tsasatra indray dia an’ny tsirairay no “démerde” ny saran-dalana raha mba te hody any amin’ny dada sy neny. Tsy ireo mpianatra ihany amin’izao fotoana izao no mahatsiaro ho sahirana, fa ireo ray aman-dreny ihany koa dia mandrango-bolo mihitsy amin’ny fanampiana sy fampianarana ireo zanany. Mampalahelo tokoa ny fandehan-javatra. I Madagasikara ve no mitontongana mankany amin’ny fahantrana sa…, nefa dia dradradradraina hatrany hoe fandrosoana? Tokony samy ho tonga saina amin’izay ny tompon’andraikitra isan-tokony.
Lucia RATSIMBAZAFY

février 12, 2009

MBA VONJEO FA LANY VATSY

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 7:30

Efa ho roa tokom-bolana izay i Seheno sy i Jean-Marc no nilaozan-dreniny nandeha any Antananarivo, raha nandeha nitsabo ny reniny izay tsy salama any an-toerana izy. Ngidin’ny fianana anefa, lany vatsy izy mianadahy kely amin’izao fotoana izao. Mangataka izay mba foin’olona ho azy mianadahy amin’ireo olom-pantatra no hany hery. 17 taona i Jean-Marc zoky lahy matoa, ary 13 kosa i Seheno zandriny vavy. Mbola samy mpianatra daholo izy roa mianadahy ireto ary ny ray niteraka azy ireo kosa dia efa ela no nodimandry. Kamboty ray izany i Seheno sy Jean-Marc, ary tsy mbola nanambady mihitsy ny reniny taty aoriana. Eny amin’ny fonkotanin’i Manga izy ireo no monina, ary tsy misy raha tsy izy roa mianadahy ireto ihany no ao an-trano amin’izao fotoana izao. Raha araky ny fitantaran’i Seheno, izay niresaka nivantana taminay, dia nanazava mazava tsara izy fa sahirankirana ihany ny izy ireo amin’ny andavanandro na dia eo aza ny reniny.
Vola Ar 20 000 no navelan-dreniny ho azy mianadahy talohan’ny handeha izy, tamin’izay nilaza izy fa afaka herinandro monja dia hiverina. Indrisy anefa, satria nihanihombo ny aretina izay antony nandehanana tany andrenivohitr’Antananarivo, dia voatery nijanona tany ramatoa. Sahirana mafy izy mianadahy ankehitriny, ny renin’izy ireo koa mazava ho azy vaky loha amin’ny fiasan-tsaina amin’izy roa mianadahy kely tavela aty. Misy fotoana mantsy miantso an-janany ihany ramatoa manontany vaovao. Raha ny vaovao farany hazo araky ny nambaran’i Seheno ihany, dia nilaza izy fa: “amin’ny alarobia izao no ho tonga i mama”, sady feno hafalina no feno fanantenana ery izy nilaza izany. Mandra-pahatonga izay aloha dia atao tsara fatotra ny fehikibo.

février 11, 2009

savain’ny vadiny amin’ny tànany ny mahavevaviny

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 1:42

Antony mahatonga fisarahana amin’ny mpivady matetika ny hasarotam-piaro be loatra na avy amin’ny lahy izany na amin’ny vavy, io indrindra no nandrava ny fanambadian’I Perline mivady.

Enina taona no nifanambadian’I Perline sy i Gervé mivady ary manajanaka lahy enina taona izy roa. Mpitari-posy no asan-drangahy, ary mbola tsy vita fomba ihany koa izy roa ireto. Ankehitriny, mamelon-tena irery amin’ny sasalamba I Perline mianaka, fa ilay rangahy kosa mipetraka toerana hafa. Vokatry ny hasarotam-piaron’ilay ralehilahy no anton’ny fisarahana, satria dia farahiany amin’izao olona rehetra izao I Perline vadiny. Efa nifindra trano imbetsaka izy ireo noho io antony ihany. “roasin’ilay tompon-trano foana izahay satria dia heveriny fa sipako avy ny manodidina rehetra”, hoy Perline mitantara. Mazàna dia tsikiloviny avy lavitra izay ataon’ny vadiny raha mandeha mivarotra fandrehetan’afo eny an-tsenan’ny Tsaramandroso iny ilay ramatoa vadininy. Misy ihany koa fotoana iafenany ao ambany fandriana nefa dia samy matory iray trano ao izy mivady. Fanaon’ity rangahy ity koa ny matory eo ambaravaran-tranony, miandry izay olona mety ho ampidirin’ilay ramatoa ao an-trano. Ny zavatra tena mahatsiravina aza dia sakainy amin’ny tanany ny mahavehivavy ity vadiny rehefa tonga ao an-trano izy. “isaky ny mody ao an-trano izy, rehefa rava miasa iny isanandro, dia atsofony any amin’ny mahavehivaviko foana ny fanondro adalany, dia avy eo dia karominy” manazava ilay ramatoa, “ raha mandomando ny tanany avy any, dia lazainy fa avy natory tamina lehilahy hafa aho, dia tahak’izay foana isan’andro” hoy ihany Perline nanohy.
Roa taona izao no nisarahan’izy mivady ireto tao aorian’ny nandosiran’ilay rangahy niaraka tamin’ny entana lafo vidy tao an-trano. Tsy niantoka na ny ny ariary ny mikasika ilay zanany intsony izy raha tsy taty aorianan’ny nametrahan’I Perline vadiny fitorina tany amin’ny CDE ( collectif de droits des enfants ), “hatramin’izay dia mbola tsy nanome vola anay mianaka mihitsy izy raha tsy ny saram-pianaran-janany roavolana farany nifandimby teo no mba niantohany” mitantara hatrany I Perline. Ar 7 000 ny isam-bolana ny saram-pianaran’ilay zaza. Omaly araky ny fifanarahan’izy mivady sy ny tompon’andraikitra ao amin’ny CDE, dia nanome fanampiana an’izy mianaka indray I Gervé.
Tsy vitsy raha mbola eto Mahajanga no moana toe-javatra tahaka izao, ary mbola misy koa aza ireo tena tsy manana itodihana mihitsy, fa dia mizaka ny mafy hatrany. Misy farany ihany anefa ny zava-drehetra.

février 7, 2009

MILAMIN-DRATSY I MAHAJANGA

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 9:17

Efa tsy misy intsony aloha ny korontana eto Mahajanga tao aorian’ny Atalata 27 ny volana Janoary lasa teo. Na dia izany aza anefa dia tsy midika izany fa “lasa ny loza” saingy mbola miaina ao anatin’ny fitaintainana hatrany ny vahoaka. Na dia tsy misy intsony aza filaharana andalam-be sy fandrobana toy ny teo aloha vao tsy ela akory izay dia mbola hita amin’ny fomba fiainan’ny olona ihany ny fitaintaina sy ny tsy fitoniana tanteraka. Mifaritra eny amin’ny endriky ny vahoaka hatramin’izao ny fahatsapana fa mbola tsy ao anatin’ny fandriampahalemana tanteraka isika. Na ny mandefa ireo ankizy any an-tsekoly aza toa mbola mampitaitaina ny ray aman-dreny maro. Ramatoa Vero na I maman’I Dada araky ny fahalalan’ny maro azy dia milaza mazava tsara hoe “raha vao taratara ny fidiran’ny ankizy mody avy ampianarana dia efa miasa ny lohako sao ka nisy zavatra najoa azy indray sanatria”, ary maro ny ray aman-dreny no mitovy fiherana amin’ity renim-pianakaviana iray ity.
Ny hariva kosa indray na dia misy aza ny fanaraha-maso sy fiambenana amin’ny alina eny amin’ny fonkotany dia mbola atahorana ihany ny mety hitrangan’ny korontana. Raha tsiahivina kely anefa dia tanàna iray nalaza amin’ny fandriampahalemana raha I Mahajanga. Io antony io no mampirehareha an’I Mahajanga raha vao tsy ela akory izay. Ankehitriny anefa toa niova ny rasa. Ny irarian’ny rehetra dia ny mba iverenan’izany fandriamphalemana izany indra. Miankina tanteraka amin’ny isam-batan’olona izay monina sy mipetraka eto amintsika anefa izany filaminana izany.
Lucia RATSIMBAZAFY
zouboon@hotmail.fr

février 6, 2009

HITODIDOHA HO AIZA INDRAY ARY I GASIKARA

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 8:47

Tsy afa miala amin’izay lafin-javatra iray izay ny votoanton-dresak na dia satry aza izany, satria izany indray izao no itodihan’ny mason’ny vahoaka Malagasy rehetra: na olon-tsotra izany fa indrindra ireo mpanao pôlitika. Efa iaraha-mahita fa tsy ampahafantarina intsony tsy akory ny korontana izay mitranga eto amin’ny firenentsika amin’izao fotoana izao sy ireo zava-misy maro samihafa koa vokatr’izany. Hatreto aloha, dia samy manana ny fomba fijeriny ny rehetra ka tsy hita izay tena omen-tsiny fa mahasadaikatra ny hilaza izany. Ny vahoaka rahateo mbola samy eo ampiandrasana izay tena iafaran’ity raharaha manga ity.
Hanao ahoana indray isika avy eo?
Ity indray mantsy izao no tena olana mipetraka ary izany no tena mahavaky ny lohan’ny maro. Ny zavatra fantara aloha, raha ny zavatra niainana hatramin’izay teto amin’ny firenena no atao kajikajy, dia tsikaritra sy fantatra fa isaky ny ao aorian’ny korontana iray mitranaga eto amintsika, dia mitombo sy mihamahantra hatrany ny firenena Malagasy.
Raha hiverina taona vitsivitsy izao isika, nanomboka ny taona 1972 tamin’ny nisian’ny koroantana, dia efa nihanahanatra ny Malagasy tao aorian’iny. Taona vitsivitsy taty aoriana indray, izany hoe ny taona 1991, dia nitohy hatrany izany fihemorana izany. Tonga indray ny taona 2002 dia mbola izay ihany no zava-nitranga. Dia izao indray isika tojo ny taona 2009 izao, vokatry ny ady eo amin’ny fitondrana dia milentika hatrany hatrany isika makany amin’ny fahatrana, nefa dia ny mifanohitra amin’izay indrindra no mba tanjona iadiana. Mitotogana hatrany hatrany izany ny firenentsika. Porofony, efa mitombo sahady ny vidim-piainana eto amintsika amin’izao vanim-potoana iainantsiak izao, raha tsy hilaza hafa tsy ireo vidin-tsakafo fotsiny. Ny fahasimbana sy fanenjehana no betsaka ka tsy mahagaga raha toa ka mihavery hatrany isika.
Ny zavatra tsara ho fantatry ny maro dia ity: tsarovy fa ireo izay mety ho olona antony mampisysy niteraka ny korontana dia tsy hanahy akory izay vody andro merika, saingy isika valala tsy mandady harona aty ambany, no hitrongy vao homana raha ao aoriana kely ao.

février 4, 2009

MIVERINA AMIN’NY TANINY NY JIOSY

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 7:33

Raha tamin’ny volana desambra lasa teo no nesorina teny amin’ny fivarotana efa mahazatra ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra teto Mahajanga dia miverina maka ireo toeranay teo aloha daholo indray izy ireo amin’izao fotoana izao.
Mba natao handaminanana ny tanànana sy hampisy endrika azy bebekokoa dia nesorina teny amin’ny toerana efa mahazatra azy ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra. Ankehitriny anefa noho ny fisian’ny korontana eto amintsika dia manararaotra ireo mpivrotra miverina amin’ireo toerana nisy azy teo aloha tsirairay avy. Na dia mbola tsy izy rehetra aza no hita miverina eny amin’ny toerana misy azy, dia efa manimba ny maso sahady ny mahita indray ireny mpiavarotra ireny. Ny manam-pahefana izay mpianadraikitra izany anefa aloha hatreto, dia mbola tsy nandray andraikitra mihitsy, ka izany no mahatonga ireo mpivarotra tsy mitsahatra ny mitombo isa hatrany eny amoron-dalana. Ireo sasany izay mbola eny amin’ny “plate forme” Marolaka indray, izay toerana nametrahana ireo mpivarotra dia tena ahiana ny mbola iverenan’izy ireo indray eny amin’ny toerana nisy azy teo aloha sahala amin’ireo namany.
Raha araky ny fanazavan’ireo mpivarotra izay niverina indray amin’ny toerana nisy azy teo aloha, dia nilaza izy ireo hoe “tsy mandeha mihitsy ny tsena tamin’ny izahay nivarotra teny amin’ny plate forme ka aleonay mba mananaraotra kely”. Nilaza koa izy ireo fa mbola hiverina any ihany raha sendra ka misy famerenana azy ireo indray. I Jean mpivarotra korota-madinika eny amoron-dalana dia nilaza mazava tsara hoe “efa mikorontana ny zavatra rehetra, ny hanina ho hahanina efa tsy misy dia samy manao izay hitany fa mety daholo ny rehetre e!”
Marina fa samy sahirana daholo ny rehetra amin’izao fotoana izao, saingy tsy tokony hanararaotra ny zava-misy sahala amin’izao ny mpivarotra. Izay marina vao hoe miverina amin’ny taniny ny jiosy.
Lucia RATSIMBAZAFY
zouboon@hotmail.fr

Mameno ny tanàna ny varo maizina

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 7:31

Tao aorian’ny korontana be nahatsiravina izay nitranga teto Mahajanga izay nanomboka ny Atalata 27 Janoary 2009 lasa teo ary mbooa mitohy mangigina amin’izao fotoana izao, dia miparitaka eny anivon’ny fiarahamonina tsirairay eny ny varo maizina. Isaky fonkotany rehetra dia ahitana izay varo aémiziana izany daholo. Raha ny isan’ny tranom-barotra maro izay novakian’ireo mpanakorontana nanomboka ny androtr’io aloha no isaina dia tsy mahagaga mihitsy raha toy izany ny zava-mitranga eny anivon’ny fiarahamonina rehetra eny ankehitriny. Raha tsiahivina kely mantsy dia fantatra fa na an’olo-tsotra na an’ny fanjakana ilay toeram-pivarotana dia norobain’ny olona daholo. Na mpivarotra sakafo na mpivaro-damba, indrindra fa ireo toeram-pivarotana zavatra lafo vidy dia nataon’ny olona lasibatra daholo izany.
Noho izay antony izay indrindra, satria tsy nisahiranana fa nalaina fotsiny tsy nisahiranana ilay entam-barotra dia tsy maintsy atao an-tsokosoko daholo ny famarotana izany.

NY VARY NO TENA BE MPITADY
Satria efa mahalala ny tsirairay fa ho avy na fahasahiranana atsy ho atsy, dia samy manao izay ho afany daholo ny rehetra hanagona izay tsy rambin’ny tanany hitsijovana ny vody andro merika. Amin’ny mahan foto-tsakafo ny Malagasy ny vary, dia izay no iazakazahan’ny rehetra. Satria varotra antsokosoko no atao, dia amin’ny vidiny mora dia mora tokoa no amarotan’ireo nahazo izany teny amin’ny tranombarotra maro vaky. Tsy mahagaga izany satria zavatra tsy nisasarany akory izany- fa analaim-potsiny teny. Raha Ar 50 000 no tena tokony ho vidin’ny vary iray lasaka amin’ny andavan’andro dia Ar 10 000 fotsiny no amarotan’ireo olona izany indray. Ifabdromabahana mihitsy izany. Ny menaka sy ireo kojakoja maro samihafa ilaina ao an-tokatrano ihany koa dia tena iazakazahana.
Marihina fahetreto ireo olona rehetra izay nanontaniana dia mandà fa tsy mividy ireny halatra ireny daholo na dia samy mahafantatra aza izy samy iray tanànana eny hoe tsy marina izany. Asa aloha izay mety ho tena fiatraikan’iny korotana be teto amintsika iny, saingy ny efa inoana aloha dia tsy maintsy hisy mosary eto. Noho izany antony izany dia samy mila mamatotra ny fehikibony daholo ny rehetra
Lucia RATSIMBAZAFY
zouboon@hotmail.fr

novembre 3, 2008

BISIKILETY MINDAY RAHA

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 8:41

                                 Nisy bisikilety araky minday gonintsariao bevata anaky efatra niakatra iny “ pont fitim” iny tamin’ny niany  maraindraigny teo. Raim-pianakaviana efa nahazohazo taogno ndrô mitarika ilay bisikilety. Fiakarana ny lalana, zaka nidesiny mavesatra, izy fa olo be koa, hita tamin’ny sôran’azy fa sahôko izy manosika raha io. “zaho bôko tsy manana ata sarety  na zaka hafa indaisako zaka ty farany nidesiko tamin’ny bisikiletinakay fôna” hoy ity rangahy nanazava “izikô zaho nandeha bus, mandoa vola koa io, basy zaho nideside ndesiko fôna, sitra ny vola ampôsinakay”. Hoy izy nanampy. Raha izany basy ka sanatria misy tômôbily tonga bôka avy de voadona, ka tsy eo maty bôrona eo. Zaka mapalahelo koa izy tsy misy manampy an’azy ata raiky. Efa tsy misi intsony le fanajana olo be taloha.

Zaka ty indraiky efa mateti-pitranga, saingy aloe misoroka toy izay mitsabo en!

 

tafatafa tamin’azy

Classé dans : Uncategorized — zouboon @ 8:39

           

            M. SAGUIR REMTOULA

            PREZIDA  NY VONDRONA BOHRA

 

 

 Inona ny vaova – Hisokatra eto mahajanga ny gazety «  inona ny vaovoa mahajanga »ny fahitanao izany ?

Vaoavao tsara ary tena mahafaly ahy ny mahafantatra izany saingy asa na aharitra fa tsy ho tahaka ireo teo aloha tsy naharitra akory dia nikatona indray tsy fantattra akory izay tena antony sahala amin’ny hoe andrakandrana

 

Inona ny vaoavao- Amin’ny maha prezida ny vondrona Bohra eto mahajanga anao, inona no tena andrasanao sy takianao amin’ny «  inona vaovao mahajanga » ?

Ny mampalahelo amin’izao fotoana izao, dia lasa fitadiavam-bola fotsiny ny asa fanaovan-gazety fa tsy ny zava-misy no ezahina avoaka sy ampahalalana ny vahoaka. Tsara raha ny marina hatrany no ampahafantarina ny mpamaky.

Lesoka ho an’ireo  gazety teo aloha mantsy ny famoahany ireo vaovao tsy marim-pototra dia rehefa tonga indray ny ampitso dia ambara fa diso ilay vaovao navoaka. Hita koa fa maro loatra ireo dokambarotra sy fialam-boly , aleo gazety manify nefa mba mavesatra toy izay matevina be fahatany.

Raha ho an’ny vondrona Bohra manokana ihany koa dia tsara raha mba aparitaka amin’ny haino aman-jery ireo asa soa ataonay, tena irinay mantsy ny ahafantaran’ireo ponina ny mahakasika anay sy ireo tetik’asa misy ao amin’ny vondrona misy anay

 

Inony vaovao -Ahoana kosa ary ny tokinainao andriamatoa prezida?

Matoky aloha aho satria gazety hivoaka isan’andro izy ity. Raha teo ihany koa mba efa manana fahalalana maro mahakasika izany ianareo mpiandraikitra ao. Ny irina dia mba ho lava andro ianinana anie “inona vaoavao mahajanga”.

 

AntsaL.Ratsimbazafy.

 

Articles plus anciens »

Publié sur WordPress.