Tamin’ny Atalata 11 aogositra teo dia nipoaka ny botika Jovenna ao Sotema. Tamin’ny 1ora sy sasany atoandro teo no nanomboka ny afo izay niandoha avy tao amin’ilay trano fiasan’ny gerantn’ny tsena, Abid Ali no iantsoana azy. Araka ny fanazavana azo dia fantatra fa rehefa hamoha ilay varavarana fiasany iny ity gerant ity no nahare zavatra nipoaka mafy avy ao anatin’ilay trano. Nitsoaka haingana izy, ary izay vao tena nirefotra mafy indray ny fipoahana ka nipitika tery ny varavarana. Nanomboka teo dia nilodaka ny afo ka nahazo ny efitra rehetra. “Vao avy lavitra zaho dia tazako mipoapoaka daholo ny fitaratry ny fivarotana” hoy ity tomponan’andraikitra iray eo amin’io station Jovenna io. Ity farany no nampiantso haingana ireo mpamojy aina. Nantsoina niaraka tamin’izay koa ireo tompon’andraikitra isan-tokony hijery ny fandehan-javatra teny an-toerana. Tsy ela taorian’izay dia tonga ireo mpamono afo ka nanapaka haingana ny herin’aratra sy namono ny afo. “ Soa ihany fa tsy ela akory dia tonga ireo mpamono afo, saingy raha tsy izany dia may Sotema” hoy ihany ity tompon’andraikitra mitantara. Marihina mantsy fa raha nahazo ny solika teo amin’ilay station ny afo dia mety ho loza azo pesipesenina no nitranga. Maro ny zavatra simba tao na tamin’ilay efitra fiasana izany na tao amin’ilay botika fivarotana izay mifanefitra aminy. Araka ny nambaran’ireo tompon’andraikitra dia fantatra fa antotan-taratasy maro, solosaina iray, ary coffre sy ireo entina maro tao amin’ilay botika dia kila aforehitra tao daholo. Fantatra ihany koa fa nisy vola tao anatin’ilay coffre may saingy izay teti-bidiny tao no mbola tsy fantatra mazava tsara hatreto.
Mety ho “court circuit”.
Araky ny fahitan’ny olona teny an-toerana ny zava-nisy, dia betsaka no milaza fa avy amin’ny tsy fetezan’ny herin’aratra no niavian’ny loza. Nipoaka daholo mantsy izay zavatra rehetra nandeha tamin’ny herin’aratra ka nanakaiky ilay efi-trano niandohan’ilay fipoahana. Ny climatiseur isaky ny efit-trano sy ny jiro dia nirefotra daholo. Ilay compteur nipetaka tao amin’ilay birao koa aza nipoaka. Ireo tompon’andraikitra ao amin’ny section de recherche criminel izay mandray an-tanana ity raharaha ity anefa dia mbola tsy mandray fehin-kevitra amin’izay mety ho antony niavian’ny loza. “Mbola hisy fikarohana atao mikasika izao raharaha izao ka izay izahay vao afaka manambara izay mety ho antony” hoy andriamatoa Cirnot tompon’andraikitra ao amin’ny brigady kriminely. Vao sambany tokoa izao no nisy trnaga sahala amin’izao teto Mahajanga. Nanaitra ny ponina tokoa iny zava-niseho iny. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy.
Lucia Ratsimbazafy
août 14, 2009
NIPOAKA NY JOVENNA SOTEMA
août 4, 2009
ASA FAMPIHOROHOROANA IZA NO NANAM-PO
Isan’ny firenena tena nandàla ny fihavanana sy ny fifankatiavana ny vahoaka Malagasy. Sarotra ny hamaritra hoe ny Malagasy fahiny ihany, satria mbola misy ihany ireo mankamamy izany mandrak’ankehitriny. Tamin’iny volana nodiavintsika farany lasa teo iny dia namoa fady ny sasany tamin’ny vahoaka Malagasy. Nisy sahy nanao asa fampihorohoroana teto amintsika, Malagasy iray rà sy iray tanindrazana amintsika ihany anefa ireny. “Tsy misy azo lavina fa tena asa fampihorohoropana tokoa no nitranga teto amin’ny firenena” hoy andriamatoa Ravalomanana Richard, tompon’andraikitra voalohany amin’ny fikarohana rehetra mikasika ity raharaha ity. Mipoitra tsikelikely eto amintsika ireo habibiana rehetra mitranga any ivelany. Teo aloha anefa dia noheverina fa amin’ny fahita lavitra ihany no ahitana izany. Baomba mipoaka etsy sy eroa anefa no iainana ankehitriny. Misahotaka ny saim-bahoaka. Vokany, ankehitriny dia isan’ny mihorohoro amin’ny fahavelomana sy ny fahafatesana sahala amin’ny any ivelany ihany koa isika. Iza no nanam-po fa hiaina zavatra sahala amin’izao ny vahoaka Malagasy indray andro any. Lasa misy indray izao ny fisavana kitapo. Tena tsy misy valaka amin’ny zava-mitranga any Irak, izay firenena mampidi-doza indrindra eran-tany. Tsy sanatria tsy akory mampitahotra na koa hoe manatavy resaka fa izany no zava-misy. Adin’izy samy lehibe ao ambony ao ihany anefa no anton’izao, isika madinika aty ambany no mizaka ny vokany. Na dia mbola tsy miparitaka aty amin’ny faritany aza izany asa fampihorohoroana izany dia isan’ny tsidrin-tahotra koa isika. Tsy afaka ny tsy hiasa saina amin’ny havana aman-tsakaiza izay monina ao andrenivohitra ao mantsy isika. Na izany na tsy izany dia tokony ho mailo ihany. “Tokony hitandrina koa ny any amin’ny faritany rehetra” hoy ihany ity tompon’andraikitra voalaza teo ambony. Midika izany fa mety hiitatra aty izao asa fampihorohoroana izao raha mitohy. Soa ihany fa herin’andro vitsivitsy izay dia mba nangigina indray ny tanàna. Enga anie ka hijanona hatreo izany habibiana izany ka hisy marimaritra iraisana. Hiverina amin’ny firaisan-kina no hery indray anie I Gasikara.
Lucia Ratsimbazafy
juillet 31, 2009
ZAFY ALBERT
Nandritra ny fandalovan’ny filoha teo aloha Zafy Albert teto Mahajanga ny Alarobia 29 jolay tolakandro lasa teo dia maro ireo olona tonga nanotrona azy tao. Zavatra maro amin’ny fitondrana ankehitriny mantsy no nitondran’ity filoha teo aloha ity fanazavana. Isan’izany ny nilazany fa tsy mbola izy ny fitondrana tetezamita misy ankehitriny. Satria tsy mbola misy fifanarahana mazava tsara misy, mipetraka mamehy ny fitondrana ankehitriny dia tsy mbola fitondrana azo ekena ny fitondrana tetezamita. “Raha tsy voasonia ny fifanarahana dia tsy hisy fanjakana ara-dalana”, hoy ity filoha teo aloha. Midika izany fa tsy mankasitraka ny fitondrana misy amin’izao fotoana izay ny mpanara-dia ny an’Andriamatoa Zafy Albert. Fantatra ihany koa nandritra io valan-dresaka natao io, fa isan’ny antony tsy mbola hahavitana sonia hatramin’izao ny fifanarahana tokony hatao ny tsy fankatoavan’ny mpanara-dia ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina. “Matoa hatramin’izao mbola tsy voasonia ny fifanarahana dia satria tsy manaiky hanao izany ny manara-dia avy amin’ny antoko TGV”, hoy ihany izy. Raha araka ny fanazavany ihany dia fantara fa noho ny tsy fankasitrahan’ny fitondrana ankehitriny ny famelan-keloka no antony lehibe tsy aneken’ireo mpanara-dia ny filoha ankehitriny izany fanaovan-tsonia izany. “Matahotra ny valifaty mety hataon’ireo gadra pôlitika ny fitondrana Andry Rajoelina”, hoy Andriamatoa Zafy Albert hentitra dia hentitra tokoa. Ny antoko manaraka ity farany mantsy dia manaiky tanteraka ny famelana ireo gadra pôlitika. Midika izany hoy ihany ity filoha teo aloha fa misy zavatra tsy mazava ao anatin’io fitondrana io. Tsiahiavina ihany anefa fa tamin’ny talata 22 jolay lasa teo no nihaona ireo filoha roa ireto dia ny filohan’ny tetezamita ankehitriny Andry Rajoelina sy ny filoha teo aloha Zafy Albert. Najanona ho tsiambaratelo anefa izay rehetra nifampiresahan’izy roa mianaka tao.
Lucia Ratsimbazafy
juillet 30, 2009
ZAFY ALBERT FANJAKANA FEDERALY IHANY NO AFAKA HAMPANDROSO NY FIRENENA
Maro ireo fokoto-kevitra nambaran’ny filoha teo aloha Zafy Albert tamin’ny mponin’ny Mahajanga tamin’ny fandalovany teto an-toerana ny alarobia 29 jolay lasa teo. Isan’izany ny nanambarany ampahibemaso fa ny federalisma no vahaolona mahomby indrindra ho an’ny fampandrosoana an’i Madagasikara manomboka izao. “Nandritra ny 50 taona izay isika nilona tao anatin’ny fanjakana tokana hatrany, tsy nisy zavatra niova fa ny teo ihany no teo” hoy ity filoha teo aloha ity nanazava. Midika izany araka ny heviny fa tsy tokony hijanona amin’izany intsony isika ankehitriny. Araka ny famaritana ny federalisma nomen’i henri Lecacheur izay nanara-dia azy dia ny federalisma no endrika fanampariaham-pahefana farany mivelatra indrindra amin’ny fitondrana firenena iray. Raha tiana hizara izany ny fitondrana dia fanjakana federaly no tokony hajoro. Midika ihany koa izany fa ny federalisma no ahafahana mampandray anjara feno ny faritra amin’ny fampandrosoana. Tokony hozaraina isam-paritra izany ary samy hanana ny fahefany ny faritra tsirairay. Nampahafantarina koa tamin’io fa faritra 16 ao anatin’ny 22 misy eto Madagasikara no efa manaiky io firehan-kevitra io. Midika izany fa mankasitraka ny fanjakana federaly ny ankamaroan’ny Malagasy. Hatramin’izay ka hatramin’izao mantsy dia miantehitra amin’ny fanjakana foibe ny fivelomana ara-bolan’ny faritra rehetra. Ny 93% ny vola ampiasaina amin’ny fampandrosoana dia ao no mivangogo. Raha izay anefa no mizarazara aty amin’ny faritra tsirairay dia inoana fa hiroborobo ny toe-karena, noho izany handroso I Madagasikara. Tsy izy intsony izany ny fitondrana manao vahoho fahefana teo aloha. Ny fitondrana tokana na ny “Etat unitaire” dia avela tanteraka amin’izay. Ohatra akaiky hoy ity filoha teo aloha ity ny any Amerika sy any Suisse ary ao Allemagne, tsy misy firenena mandroso miohatra ireo firenena telo ireo noho izy ireo mampihatra ny fanjakana federaly ao aminy. Ny fanontaniana mipetraka anefa dia ny hoe, hahay sy hahazaka izany fitondram-panjakana izany ve ny malagasy ? Ary sao sanatria fanajakana federaly mbola hilona amin’ny fitiavan-tena sy famenoana paosy indray. Te handroso ny vahoaka Malagasy, ary manaiky izay fitondrana mitondra azy mankany amin’izany faniriany izany. Ny mangarahara anefa no ambadik’izay. Saingy ny fandraisana anjaran’ny tsirairay no zava-dehibe indrindra fa tsy olom-bitsy no hitondra sy higoka ny fananan’ny rehetra
Lucia Ratsimbazafy
juillet 29, 2009
NAFANA NY LAHADY NAHATOGAVAN’NY FILOHA
Ando iray toa zato tokoa ny alahady 26 jolay lasa teo. Vao niposaka ny masoandro dia efa mievoevo ny mponin’i Mahajanga handray ny filoha avon’ny tetezamita. Izao no fitsidihana faharao nataony teto Mahajanga. Tamin’ny 10 ora sy sasany marina no nanitsaka ny tananan’i Mahajanga ny fiaramanidina nandehananan’ ny filoha niaraka tamin’ireo delegasionina nanaraka azy. Isan’izany ny minisitry ny fanjarianan’ny tany sy ny fanampariahana, ny misitry ny fampianarana ary ny minisitry ny fifandraisana sy ny teknôlôjia. Rehafa vita ny fandraisana makotrokotroka ny filoha teny amin’ny seranam-piara-manidina, dia lasa nizotra nankany amin’ny kianjan’i Rabemanajara ny filoha sy ireo delegasiona, narahin’ny vahoaka sy ireo olo-manan-kaja maro. Teny dia nifandimbiasan’ireo manam-pahefana ny fitenenana. Ny ben’ny tananan’ny Mahajanga no nanokatra ny kabary, izay narahin’ny andriamatoa Hamad, filohan’ny federasionina ny baolina kitra Malagasy. Izy indray dia nisaotra manokana ny filoha noho ny fanohanany ny federasionina ny baolina kitra. Avy eo dia ny lehiben’ny faritra indray no nandray ny kabary. Tamin’io dia nanararaotra nametraka ireo fangatahana ho an’ny faritra tamin’ny filoha ny tenany. Isan’izany ny fanamboarana ny lalana sy ny mikasika orinasa SIRAMA ao namakia. Ary tsy hadinon’ny lehiben’ny faritra boeny tamin’io ny nanainga ny filoha mba hirotsaka ho isan’ny kandidà amin’ny fifidianana ho filoham-pirenenana. Raha viat izay, dia ny solotenan’ny FIFA, andriamatoa Cyril Loisel, indray no nadry ny fitenenana. Ity farany dia nanambara fa ity kianjan’ny Rabemananjara ity dia isan’ireo lova apetraky ny FIFA ho an’ny firenena afrikanina. Nanamafy koa izy fa tsy afaka handeha ny kitra Malagasy raha tsy mandray anjara lehibe amin’izany ny fanjakana, ny sponsor ary ny haino aman-jery. Mba ho mariky ny fiaraha-miasa indrindra ary, dia nisy “pasasation de fanion” avy tamin’ny solotenan’ny FIFA ho an’ny filoha. Tao aorian’izay iondray dia ny filohan’ny tetezamita Andrinirina Rajoelina indray no nandray ny kabary. Maro ireo zavatra nasian-teny saingy raha fehezina amin’ny teny fohy izany dia nanome toky ny mponin’ny Mahajanga sy ny vahoaka Malagasy iray amnontolo izyfa hamapandroso ny kitra Malagasy araka izay tratrany. “manomboka mason’andro androany dia dia raisin’ny fanjakana Malagasy an-tananana ny fanohanana ny baolina kitra Malagasy” hoy izy hentitra dia hentitra. Raha vita ny kabarin’ity farany dia niroso tamin’ny fametrahana ny vato fototra ho fanaboarana ny “tribune”nan’I Kianja Rabemanajara ny filoha. Izay no namarana ny tapany voalohany. Ny hariva dia ny ady baolina kitra famaranana, izay niadiaan’ny faritra analamanaga sy faritra boeny no natrehin’ny filoha. Alina vao nisaraka satrai niady dia niady tokoa ny baoli izay nadresen’ny tompon-tanana, dia isika teto amin’ny faritra boeny izany. Reharehan’ny Malagasy tokoa fahiny ny fahaizantsika milalao baolina kitra. Inona fa mbola hiverina ny lasa.
Lucia Ratsimbazafy
juillet 28, 2009
STADE RABEMENANJARA
La pose de la première prière pour la réhabilitation de la tribune centrale a été faite durant le passage du président de la Hat Andry Nirina Rajoelina à Mahajanga le 26 juillet dernier. Effectivement, d’ici 5 mois, une nouvelle tribune aux normes international va se dresser dans ce fameux stade. Après le terrain synthétique, unique à Madagascar et qui fait la fierté de la région Boeny, une tribune central va d’ici la fin de l’année changer le look du stade Rabemananjara. Sa réhabilitation sera en totalité financée par la FIFA, une tribune estimée à 400 000$ face à la pelouse synthétique qui a valu 800 000$. Selon le dire du représentant de la FIFA Cyril Loisel présent pendant la cérémonie du Dimanche dernier, ce terrain est parmi l’héritage laissé par la FIFA pour le continent africain. Certes, la fédération a beaucoup soutenu le foot-ball malagasy. La nouvelle tribune va pouvoir accueillir jusqu’à 1000 personnes. D’une superficie de 650m2, elle sera composée de 5 vestiaires, ceux-ci spécialement pour les joueurs et pour les arbitres. En outre, il y aura 3 bureaux qui fera usage de renseignement et de bureaux des différents services administratifs. Une salle de réception et enfin une salle VIP seront aussi érigés. Tous les travaux seront confiés à une entreprise locale qui n’est autre que l’ E.G.C. Hatim de la ville de Mahajanga. De son côté, la société Telma de Madagascar aura aussi du pain sur la planche. Il va s’assurer la confection et la pose des grilles de protection, séparant les spectateurs et le terrain. Avec le nouveau visage que va avoir le stade Rabemananjara très bientôt, la population majunguaise va en tirer les profits et se tourneront plus vers le foot. Cela lui vaudra d’être le patrimoine de la région Boeny, vivier mythique des meilleurs joueurs de foot.
Lucia Ratsimbazafy
juillet 25, 2009
TANORA SY NY FOMBAN-DRAZANA
Nandeha ny volana, niova ny taona dia nanaraka izay ihany koa ireo fomba amam-panao maro isankarazany. Ireo tanora izay miaina amin’ny vanim-potoana ankehitriny dia efa tsy mahatsirao ireo fomban-drazana nisy teo aloha intsony ny ankamaroany. Lasa miova araka izay zava-misy amin’ny fiainana andavan’andro ny fombafomba rehetra. Lazaina fa efa lany andro daholo ireo fomban-drazany nisy teo aloha. Vokany, miova araka izay ihany koa ny toe-tsaina anan’ireo tanora. Mety hihatsara ary na koa mety hiharatsy ihany koa.
Raha ny zavatra tsikaritra aloha dia tsapa fa tsy voatery ho zavatra ratsy izany fiovana amin’ny fomba netin-drazana teo aloha izany, saingy betsaka no mihevitra fa tsy fanajana ireo olo-be teo aloha ny fandaovana ireny fomba ireny. Vokany betsaka ny tanora ankehitriny no mampifangaro ny fomban-drazana amin’ny fomba vaovao, izay heverina fa fomba vahiny. Ohatra akaiky amin’izany ny fanambadiana. Taloha tsy nisy mihitsy izany hoe “fiançailles” izany. Ankehitriny anefa dia samy atao daholo na vodiondry na ity fomba nolazaina teo aloha ity. Hajaina izany ny fomban-drazana nefa manaraka ny toe-trandro ihany koa. Raha amin’ny ankapobeny dia ireo tanora monina any ambanivohitra aloha no mbola betsaka fatra-panaja ny fomban-drazana. Ireo aty andrenivohitra kosa efa nahita akanga tsara soratra ka nanary akoho tamana an-trano ny ankamaroany. Nindaosin’ny sivilizasiona hono e!
Lucia Ratsimbazafy
FANDRIAM-PAHALEMANA
Misavorovoro ankehitriny ny fiainam-bahoaka monina ao an-drenivohitra ao, ary mipaka hatra aty amin’ny faritany izany. Taorian’iny asa fampihorohoroana izay nitranga tany Antananarivo ny Sabotsy lasa teo iny dia voamaika nitombo ny tebitebim-bahoaka. Toa mihombo hatrany ny habibiana vitan’ny Malagasy samy Malagasy. Nisy aina nafoy indray mantsy tamin’io, Malagasy mpiray tanindrazana tamintsika ihany ireo. “Efa miova ny toe-tsaintsika fa hadino sahady ny fankamamiana ny fihavanana izay nireharehana teo aloha” hoy i col Razafindrakoto Jean-Bruno, komanda ny zandarimariam-pirenena raha nivahiny tamin’ny fahita lavitra iray izy. Mahavaky vava ny maro tokoa aloha ny zava-misy satria Malagasy samy Malagasy ihany ve dia sahy mifamono sahala amin’izao.“Efa habibiana anie raha asa fampihorohoroana izany no ampiharina eto amin’ny tanindrazana”, hoy ihany ity mpitandron’ny filaminana ity nanamafy hatrany ny fanazavany. Sanatria tokoa ve i Madagasikara dia hitovy amin’i Bagdad sy Irak. Raha izao no mitohy dia mety izay mihitsy no hiafarany. Raha amin’ny ankapobeny no jerena dia hita fa misy raorao pôlitika ao ambadik’izao asa fampihorohoroana izao. Tsy azo lavina mantsy fa misy ifandraisany amin’ny krizy pôlitika teto amin’ny firenena izao rehetra izao. Araka ny nambaran’ny col Ravalomanana Richard indray anefa, izay commandant de la circonscription de la GN Antananarivo, dia nanamafy izy hoe “izahay tsy mijery izay lafiny ara-pôlitika mety hifandray amin’izao raharaha izao mihitsy fa ny fiarovana ny vahoaka mpiray tanindrazana no ataonay vain-dohan-draharaha” hoy izy hentitra dia hentitra. Ity farany mantsy no miandraikitra ny fikarohana sy fanadihadiana rehetra mikasika ity asa fampihorohoroana ity. Midika izany fa izay ahatrarana ny marina hatrany no tanjon’izy ireo fa tsy voabaiko ny lafiny ara-pôlitika tsy akory. Toa sarotra amin’ny tena Malagasy tokoa ny mandinika ny zava-mitranga eto amin’ny firenenana. Hay ka misy Malagasy sahy mamono ny iray rà sy iray tany ilevenana aminy ihany. Ho an’ny tombotsoan’iza anefa no anaovana izany.
Lucia Ratsimbazafy
juillet 22, 2009
aza gaga nareo ra otran’ny oe serieuz be le articl avokak fa ny vao2 avokak amin’ny gazety iany io “ino vaovao Mahajanga” ok mazotoa daol
ANTOKA HO AMIN’NY HO AVIN’NY ANKIZY NY FIDIRANY AN-TSEKOLY.
Mahatratra 96% ny ezaka efa tratra ho an’ny fampidirana an-tsekoly ny ankizy manerana ny nosy. Fantatra io salan’isa io tao aorian’ny fikarohana nataon’ny UNICEF.
Raha tombanana anefa izany , dia hita fa mbola lavitra ny ezaka tokony hotratrarina . Ilain’ny ankizy anefa ny mandranto fianarana mba hampitomboany ny fahalalany hananany ho avy mamiratra. Nefa raha ny salan’isa hita eto Madgasikara io anefa no dinihina, mbola mila ezaka ny manatratra ny 4% ambiny.
Araka io fikarohana io ihany, dia fantatra ihany koa fa ny zaza tsy nandalo fianarana dia mivarilavo amin’ny fiainana. “Tsy mihitatra ny saina fa misy fetrany rehefa tsy mianatra ny olona iray” hoy ity Psychologue iray tamin’ny boky navoakany. Midika izany fa antoka lehibe ho an’ny olona iray amin’ny fananany farim-piainana tsaratsara kokoa ny fidirany any an-tsekoly. Manaraka inzany dia manakana azy tsy hanana saina tia karokaroka izany .
Ankoatra izay , rehefa tsy mandalo fianarana ihany koa ny zaza iray, rehefa lehibe dia tsy hahita asa, na dia mahita aza dia asa tsy mahavelona akory izany. Efa mitaky mari-pahaizana daholo mantsy ny ankamaroan’ny mampiasa rehetra, eny fad a dia asa farany izay tsotra indrindra aza izany.
Ny ray amandreny nahalehibe anefa no tena iankinana’izany. Ampinanaro ny zaza raha tiana hanana ho avy mamiratra . Ireo izay monina sy mipetraka any ambanivohitra mantsy no tena manao ambanin-javatra ny fianarana. Aleo ilay zaza manampy azy amin’ny fambolena sy ny fiompiana, toy izay handranto fianarana lavitra. Raiso ary ny andraikitra, ampianaro ny ankizy.
Lucia RATSIMBAZAFY